Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Vladimir Melnik, Vladimir Piskarev, ary Artur Putintsev

20 MEY 2022 | VAOVAO FARANY: 17 OKTOBRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA HIGADRA IREO RAHALAHY | Mahavita Miaritra Fanenjehana Izy Ireo Noho ny Fanampian’i Jehovah

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA HIGADRA IREO RAHALAHY | Mahavita Miaritra Fanenjehana Izy Ireo Noho ny Fanampian’i Jehovah

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Sovietskiy, ao amin’ny tanànan’i Oriol higadra enin-taona avy ny Rahalahy Vladimir Melnik sy Vladimir Piskarev ary Artur Putintsev. Efa tany am-ponja ireo rahalahy telo ireo nanomboka tamin’ny Desambra 2020, dia mbola hotazonina any ry zareo.

Zava-nitranga

  1. 8 Desambra 2020

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava ny Rahalahy Melnik sy Piskarev ary Putintsev

  2. 9 Desambra 2020

    Nataon’ny polisy savahao ny tranon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah valo tany Oriol, ary anisan’izany ny an’ireo rahalahy telo ireo. Notazonina vonjimaika tany amin’ny toerana iray izy ireo avy eo

  3. 11 Desambra 2020

    Notanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Melnik sy Piskarev

  4. 14 Desambra 2020

    Notanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Putintsev

  5. 19 Janoary 2021

    Nilazana ny manam-pahefana hoe marary ny Rahalahy Piskarev ary mila fitsaboana maika, nefa tsy navela ho any amin’ny dokotera sy homena fanafody

  6. 21 Janoary 2021

    Navela handray ny fanafody naterin’ny vadiny ny Rahalahy Piskarev, saingy mbola tsy nahazo nankany amin’ny dokotera ihany

  7. 24 Jona 2021

    Nentina tany amin’ny hopitaly ny Rahalahy Piskarev, ary hita hoe tapaka lalan-dra. Mbola naverina tany am-ponja indray anefa izy avy eo

  8. 29 Oktobra 2021

    Nampangaina izy telo lahy hoe nandamina ny zavatra ataon’ny fikambanana iray mampidi-doza

  9. 31 Janoary 2022

    Nanomboka ny fitsarana azy ireo

Ireo voampanga

Marina fa mbola tafasaraka aloha izao ireo fianakaviana ireo. Mampahery antsika anefa ny mahalala hoe tsy hisy hahavita hampisaraka azy ireo amin’i Jehovah, fa hokarakarainy sy harovany foana izy ireo.​—Romanina 8:38, 39.

a b c Mbola tany am-ponja niandry ny fitsarana azy ny Rahalahy Melnik sy Piskarev ary Putintsev tamin’ny fotoana nanoratana an’ity lahatsoratra ity, ka tsy nisy fahafahana hiresaka tamin’izy ireo.