Hijery ny anatiny

Ranabavy Olga Zhelavskaya

17 JANOARY 2023 | VAOVAO FARANY: 17 APRILY 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | “Eo Akaikiko eo Foana i Jehovah”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | “Eo Akaikiko eo Foana i Jehovah”

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Metallurgicheskiy any Tcheliabinsk ny Ranabavy Olga Zhelavskaya, tamin’ny 17 Aprily 2023, ary nahazo sazy mihantona roa taona. Mbola tsy migadra izy izao.

Ilay voampanga

Matoky isika fa na inona na inona fitsapana hatrehintsika mpanompon’i Jehovah, dia “tsy hangozohozo mihitsy” isika satria tian’i Jehovah sy tohanany.​—Salamo 16:8.

Zava-nitranga

  1. 16 Jona 2018

    Nasian’ny manam-pahefana fitaovana fandraisam-peo sy video tao amin’ny tranon’i Olga mba hanaraha-maso azy

  2. 26 Martsa 2019

    Nosavana ny tranony rehefa nanao fanadihadiana momba ny Rahalahy Vladimir Suvorov ny manam-pahefana

  3. 31 Aogositra 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava. Nolazaina fa nanohana ny asa ataon’ny fikambanana mampidi-doza satria tao an-tranony no nanaovana fivoriana

  4. 22 Oktobra 2021

    Tapaka lalan-dra dia niditra hopitaly

  5. 28 Septambra 2022

    Nanomboka ny fitsarana azy