Hijery ny anatiny

Ranabavy Irina Buglak

13 DESAMBRA 2021 | VAOVAO FARANY: 13 JONA, 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | “Faly Aho Satria Mifandray Akaiky Amin’i Jehovah”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | “Faly Aho Satria Mifandray Akaiky Amin’i Jehovah”

Nomelohin’ny fitsarana any Partizansk, any amin’ny faritanin’i Primorye ny Ranabavy Irina Buglak, tamin’ny 6 Jona 2023, ary nahazo sazy mihantona roa taona sy tapany. Mbola tsy migadra izy izao.

Zava-nitranga

  1. 6 Aogositra 2021

    Naverina tany amin’ilay fitsarana any Partizansk ny raharaha momba an’i Irina

  2. 30 Novambra 2020

    Naverina tany amin’ny mpampanoa lalàna ny raharaha momba an’i Irina satria tsy nisy porofo hiampangana azy

  3. 31 Janoary 2020

    Nafahana izy rehefa avy nambenana tao an-trano nandritra ny 107 andro

  4. 16 Oktobra 2019

    Rehefa avy nogadraina nandritra ny 179 andro i Irina, dia nafahana ary lasa nambenana tao an-trano

  5. 20 Aprily 2019

    Nisava ny tranon’i Irina ny polisy avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) tamin’ny 3:00 maraina. Nampangaina ho mandamina sy mitarika fotoam-pivavahana izy. Notanana am-ponja vonjimaika izy ary intelo nohalavaina ny fotoana nijanonany tany am-ponja

  6. 19 Aprily 2019

    Nisy polisy valo avy amin’ny FSB nanao bemidina tao amin’ny tranon’ny anabavy 80 taona antsoina hoe Nelly Tarasyuk. Nisy anabavy maromaro tao aminy tamin’izay, anisan’izany i Irina sy Natalya zanany vavy. Lasa narary i Nelly tamin’io fotoana io dia nentina tany amin’ny hopitaly. Nosamborin’ny polisy ny anabavy hafa ary nohadihadina nandritra ny alina manontolo. Nampidirina am-ponja i Irina

Ilay voampanga

Mivavaka isika mba hanatanjaka foana an’i Irina sy ny rahalahy sy anabavy malalantsika rehetra any Rosia i Jehovah, amin’izay ry zareo mahavita miaritra sady manam-paharetana sy falifaly foana.​—Kolosianina 1:11.