Hijery ny anatiny

Ranabavy Irina Perefileva

1 MEY 2023 | VAOVAO FARANY: 30 AOGOSITRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | “Mandalo Ihany Izao Mahazo Ahy Izao”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | “Mandalo Ihany Izao Mahazo Ahy Izao”

Nomen’ny Fitsaram-paritr’i Urupskiy, any amin’ny Repoblikan’i Karachayevo-Circassian, sazy mihantona dimy taona sy enim-bolana ny Ranabavy Irina Perefileva tamin’ny 28 Aogositra 2023. Tsy voatery migadra aloha izy izao.

Ilay voampanga

Matanja-tsaina hoatran’i Irina isika satria fantatsika hoe na mafy toy inona aza ny fitsapana atrehintsika amin’izao, dia “vetivety sy maivana” ihany izany raha oharina amin’ny fitahiana be dia be efa eritreretin’i Jehovah homena ny mpanompony tsy mivadika.​—2 Korintianina 4:17.

Zava-nitranga

  1. 9 Janoary 2021

    Nosavaina ny tranony

  2. 22 Novambra 2021

    Nanomboka ny famotopotorana momba azy

  3. 23 Novambra 2021

    Nosavaina indray ny tranony

  4. 29 Novambra 2021

    Voampanga hoe nandray anjara tamin’ny zavatra ataon’ny fikambanana mampidi-doza

  5. 15 Oktobra 2022

    Tsy nahazo nanao dia lavitra

  6. 6 Desambra 2022

    Nanomboka notsaraina