Hijery ny anatiny

Ranabavy Yelena Menchikova

21 DESAMBRA 2021 | VAOVAO FARANY: 24 JANOARY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | Matanja-tsaina ny Ranabavy Yelena Menchikova Satria Mivavaka Amin’ilay Tena Namany sy Mahita ny Modely Omen’ny Hafa

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | Matanja-tsaina ny Ranabavy Yelena Menchikova Satria Mivavaka Amin’ilay Tena Namany sy Mahita ny Modely Omen’ny Hafa

Nomen’ny fitsarana any Cherkessk, any amin’ny Repoblikan’i Karachayevo-Circassian sazy mihantona efa-taona sy tapany ny Ranabavy Yelena Menchikova tamin’ny 23 Janoary 2024. Mbola tsy voatery migadra izy izany aloha amin’izao.

Nofoanan’ny fitsarana ambony ambaratonga fahadimy ny didim-pitsarana momba ny Ranabavy Yelena Menchikova, tamin’ny 5 Desambra 2022. Haverina hotsaraina indray izy izany izao.

Zava-nitranga

  1. 15 Desambra 2021

    Nomen’ny Fitsaram-paritr’i Cherkessk, any amin’ny Repoblikan’i Karachayevo-Circassian, sazy mihantona dimy taona i Yelena

  2. 9 Jona 2021

    Nanomboka notsaraina izy

  3. 9 Martsa 2021

    Niampanga an’i Yelena fanindroany ny mpanao famotorana. Nolazaina hoe “manao teti-dratsy”, hono, izy mba hampirisihana olona handray anjara amin’ny zavatra ataona fikambanana mampidi-doza

  4. 10 Febroary 2021

    Nolavin’ny mpanao famotorana ny fangatahan’i Yelena hoe hotsoahana ny fitoriana azy. Nampiasa andinin-teny tao amin’ny Baiboly mantsy izy rehefa nanazava hoe inona no nataony. Nolazain’ilay mpanao famotorana hoe ilay izy mampiasa andinin-teny ao amin’ny Baiboly mihitsy no vao mainka manaporofo hoe “heloka bevava” ny zavatra ataony

  5. 13 Novambra 2020

    Nanomboka natao famotorana izy satria nihira ho an’i Jehovah sady nivavaka taminy

  6. 12 Novambra 2020

    Nosavan’ny manam-pahefana fanindroany ny tranon’i Yelena

  7. 16 Desambra 2019

    Nosavan’ny FSB any Cherkessk ny tranon’ny fianakaviana folo Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny tranon’i Yelena

Ilay voampanga

Enga anie i Jehovah ka hampionona sy hanatanjaka ny sain’i Yelena foana. Tsy i Yelena ihany fa izay mpanompon’i Jehovah rehetra miatrika fitsapana koa.​—Salamo 119:49, 50.