Hijery ny anatiny

Ny Fitsaram-paritr’i Kuznetsk, any Novokouznetsk, any amin’ny Faritr’i Kemerovo

20 FEBROARY 2023 | VAOVAO FARANY: 14 Jolay 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | “Matoky Aho hoe ho Resiko Daholo Izay Olana Mahazo Ahy”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | “Matoky Aho hoe ho Resiko Daholo Izay Olana Mahazo Ahy”

Nomelohin’ny fitsaram-paritr’i Kuznetsk, any Novokouznetsk, ny Ranabavy Lyubov Serebryakova tamin’ny 11 Jolay 2023, ary nahazo sazy mihantona efa-taona. Mbola tsy migadra izy izao.

Ilay voampanga

Vao mainka miantehitra amin’i Jehovah i Lyubov izao satria matoky hoe ‘hanampy azy izy.’ (Salamo 37:5) Tena afaka manahaka azy isika rehefa miatrika olana hoatran’ny mahazo azy.

Zava-nitranga

  1. Novambra 2019-2020

    Nasiana fitaovana fandraisana feo sy video tao amin’ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro tao Novokouznetsk mba hanarahana maso an-dry zareo. Noraisina feo koa ny resaka an-telefaonina nataon-dry zareo

  2. 8 Jolay 2022

    Nanomboka natao famotorana i Lyubov noho izy nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah sy niresaka tamin’ny olona momba ny Baiboly

  3. 26 Jolay 2022

    Voampanga ho nandray anjara tamin’ny asa ataon’ny fikambanana mampidi-doza i Lyubov. Tsy navela nanao dia lavitra izy

  4. 21 Septambra 2022

    Nanomboka ny fitsarana azy

a Tsy nanana ny sarin’ny Ranabavy Serebryakova izahay tamin’ny fotoana namoahana an’ity lahatsoratra ity.