Hijery ny anatiny

Ranabavy Tatyana Sushilnikova

4 JANOARY 2023 | VAOVAO FARANY: 17 NOVAMBRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | Tapa-kevitra Hanampy ny Hafa Izy na dia Enjehina Aza

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | Tapa-kevitra Hanampy ny Hafa Izy na dia Enjehina Aza

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Kuznetsk any Novokouznetsk ny Ranabavy Tatyana Sushilnikova tamin’ny 15 Novambra 2023, dia nomena sazy mihantona efa-taona. Mbola tsy migadra aloha izy izao.

Ilay voampanga

Hoatran’i Tatyana, dia mampahery antsika koa ny modelin’ireo “vavolombelona be dia be toy ny rahona” izay mahavita miaritra fanenjehana noho ny fanampian’i Jehovah.​—Hebreo 12:1.

Zava-nitranga

  1. 8 Jona 2021

    Nisy polisy mitam-basy avy ao amin’ny FSB nanao bemidina tany amin’ny trano telo an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Novokouznetsk. Nalaina am-bavany nandritra ny adiny telo i Tatyana sy Sergey, vadiny

  2. 20 Jona 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava. Nolazaina fa niresaka zavatra misy ifandraisany amin’ny fivavahana sy nandray anjara tamin’ireo fivoriana

  3. 22 Jolay 2022

    Nampangaina tamin’ny fomba ofisialy

  4. 27 Septambra 2022

    Nanomboka ny fitsarana azy. Naverin’ny mpitsara tany amin’ny mpampanoa lalàna ilay raharaha, satria nisy tsy nety ny fomba nandaminana an’ilay izy

  5. 16 Novambra 2022

    Nitohy indray ny fitsarana