Hijery ny anatiny

Ranabavy Svetlana Monis miaraka amin’i Alam Aliyev vadiny

3 FEBROARY 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | Tony Foana ny Ranabavy Svetlana Monis na dia Mety Homelohina Noho ny Finoany Aza

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | Tony Foana ny Ranabavy Svetlana Monis na dia Mety Homelohina Noho ny Finoany Aza

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, ny Ranabavy Svetlana Monis tamin’ny 31 Oktobra 2022, ary nahazo sazy mihantona roa taona sy tapany. Mbola tsy migadra izy izao.

Tamin’ny 9 Martsa 2022, dia nofoanan’ny fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ilay didy hoe meloka i Svetlana. Nalefa tany amin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, ilay raharaha mba haverina tsaraina.

Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, tamin’ny 15 Febroary 2021, fa meloka ho nandray anjara tamin’ny asan’ny fikambanana voarara i Svetlana. Lamandy 10 000 roubles (470 000 ariary mahery) no saziny.

Ilay voampanga

Svetlana Monis

  • Teraka: 1977 (tany Lesozavodsk)

  • Mombamomba azy: Voan’ny areti-maso, sady mihamarary be foana. Tia mianatra teny vahiny. Nianatra teny sinoa sy anglisy ary alemà. Manan-janaka lahy anankiray, dia izy irery no tena nitaiza azy. Nanokatra hotely kely sinoa mba hiveloman’izy mianaka

    Kivy izy nahita ny tsy rariny eran-tany, dia nanomboka nianatra Baiboly. Natao batisa tamin’ny 2005. Nanambady an’i Alam Aliyev tamin’ny 2015. Voampanga ho mpanao heloka bevava koa i Alam

Mombamomba an’ilay raharaha

Tamin’ny 26 Septambra 2019 ny Lietnà D. Yankin, lehiben’ny mpanao famotorana ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), no niampanga ny Ranabavy Svetlana Monis ho nanao heloka bevava. Tsy navelan’ny fitsarana hampiasa ny fiarany i Svetlana nandritra ny roa volana teo ho eo, na dia tena nila fiara aza izy mba hikarakarana ny bebeny efa 91 taona.

Tamin’ny Desambra 2019 no tapitra ny famotopotorana voalohany. Nalefan’ny manam-pahefana tany amin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan ilay raharaha tatỳ aoriana.

Hoy i Svetlana rehefa mandinika ny nahazo azy: “Tony tsara foana aho rehefa tonga nisava ny tranonay ny polisy. Tamin’izay vao azoko tsara ilay hoe: ‘Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana.’”​—Matio 5:10.

Notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny valo andro i Alam, vadin’i Svetlana, taorian’ilay fisavana. Hoy i Svetlana: “Ny tena mafy indrindra tamiko dia ny niezaka tsy hanahy be loatra momba azy. Nanahy aho satria voan’ny aretin’ny hazondamosina izy, sady vao mainka narary be ilay izy. Tsy maintsy notsaboina tany amin’ny hopitaly aza izy … herinandro talohan’ilay fisavana. Tsy afaka nifandray taminy mihitsy aho, dia tsy fantatro hoe nanao ahoana izy. Noresahiko tamin’i Jehovah ny fihetseham-poko. Nolazaiko taminy hoe apetrako aminy daholo izay mampanahy ahy sy hoe matoky aho fa tena hikarakara tsara an’i Alam izy.”

Matoky tanteraka i Svetlana hoe tsy mandao azy mihitsy i Jehovah. Hoy izy: “Efa hitako sy tsapako hoe nanampy ahy izy. Fantatro hoe tsy nisy tokony hatahorako. … Niezaka tsy nifantoka tamin’ny tenako aho fa naleoko nieritreritra hoe inona no hanampy ahy tsy hivadika amin’i Jehovah.”

Miezaka mafy i Svetlana sy Alam mba hanana finoana matanjaka foana, satria izany no manampy azy ireo tsy ho kivy. Hoy i Svetlana: “Miara-mamaky sy mandinika ny teny vakina sy toko iray ao amin’ny Baiboly izahay mivady isan’andro. Ezahinay tadidina tsara foana koa izay andinin-teny mampirisika anay hiantehitra amin’i Jehovah sy hitady fampaherezana any aminy.” Manome toky sy mampahatsiahy an’i Svetlana sy Alam ny andinin-teny ho an’ny taona 2019 hoe tia an-dry zareo i Jehovah. Izao mantsy no resahin’ilay andininy, ao amin’ny Isaia 41:10: “Aza manahy fa izaho no Andriamanitrao.” Hoy ihany i Svetlana: “Nataonay pirinty io andinin-teny io, dia nataonay talaky maso.”

Rehefa nahita ny zavatra niaretan’i Svetlana ny havany tsy Vavolombelona, dia niova fa tsy hoatran’ny taloha intsony. Hoy i Svetlana: “Afaka nitory tamin’ny mamanay aho, nefa izy nanohitra taloha. Manaja ny zavatra inoantsika izy izao sady miteny foana hoe malahelo ahy, hono, izy ary vonona hanampy ahy.” Hoy koa i Svetlana: “Ortodoksa ny bebenay ary efa 91 taona. Miteny foana koa izy hoe malahelo anay sady manohana anay. Efa manomboka liana amin’ny Baiboly izy izao.”

Mahatsiaro an’i Svetlana sy Alam foana isika. Fantatsika hoe ‘hanatanjaka ny fon’izy ireo’ foana i Jehovah, dia tsy ho kivy mihitsy izy ireo.​—Salamo 10:17.