Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Andrey Perminov sy Natalya vadiny

26 OKTOBRA 2022 | VAOVAO FARANY: 22 NOVAMBRA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Afaka Mizaka An’izay Mitranga Rehetra eo Aho Rehefa Ampian’Andriamanitra”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Afaka Mizaka An’izay Mitranga Rehetra eo Aho Rehefa Ampian’Andriamanitra”

Nomelohin’ny Fitsaran’i Asha, any amin’ny Faritr’i Tcheliabinsk, ny Rahalahy Andrey Perminov tamin’ny 21 Novambra 2022, ka nomen’izy ireo sazy mihantona enin-taona. Tsy migadra izy amin’izao.

Zava-nitranga

  1. 11 Jona 2021

    Tranona Vavolombelon’i Jehovah dimy no nosavana tany Asha sy Minyar, anisan’izany ny tranon-dry Andrey. Be dia be ny zavatry ry zareo nalain’ny manam-pahefana

  2. 10 Novambra 2021

    Tsy navela hiala amin’ny faritra nisy azy

  3. 27 Aprily 2022

    Nampangaina hoe anisan’ny fikambanana mampidi-doza, dia natao tao anatin’ny lisitry ny mpampihorohoro

  4. 6 Jona 2022

    Nanomboka ny fitsarana

Ilay voampanga

Afaka ny ho sahy hoatran’i Andrey koa isika rehefa mandinika ny nanampian’i Jehovah ny mpanompony fahiny. Tena matoky tanteraka an’izao nampanantenain’Andriamanitra izao isika hoe: “Hitondra anareo sy hanohana anareo aho ary hamonjy anareo, hoatran’ny efa fanaoko.”​—Isaia 46:4.