Hijery ny anatiny

Rahalahy Vladimir Baykalov sy Irina vadiny

25 APRILY 2023 | VAOVAO FARANY: 23 OKTOBRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Falifaly Aho, dia Izay no Manome Hery Ahy Hanohy Hanompo An’i Jehovah”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Falifaly Aho, dia Izay no Manome Hery Ahy Hanohy Hanompo An’i Jehovah”

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Zavodski any Kemerovo ny Rahalahy Vladimir Baykalov, tamin’ny 23 Oktobra 2023. Sazy mihantona enin-taona no nomena azy. Tsy voatery miditra am-ponja aloha izy izao.

Ilay voampanga

Matoky isika fa hanatanjaka ny mpanompony tsy mivadika rehetra foana i Jehovah, mba hahatonga an-dry zareo hahavita hiaritra sy ho falifaly foana.​—Jakoba 1:2, 3.

Zava-nitranga

  1. 2 Febroary 2022

    Nisokatra ny raharaham-pitsarana niampangana azy ho mpanao heloka bevava

  2. 3 Febroary 2022

    Nosavaina ny tranony

  3. 26 Oktobra 2022

    Nampangaina sady tsy navela hanao dia lavitra

  4. 30 Novambra 2022

    Nanomboka ny fitsarana