Hijery ny anatiny

Rahalahy Vadim Gizatulin

25 NOVAMBRA 2022 | VAOVAO FARANY: 8 DESAMBRA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Fantatray hoe Tsy Irery Izahay”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Fantatray hoe Tsy Irery Izahay”

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Metallurgicheskiy, any Tcheliabinsk, ny Rahalahy Vadim Gizatulin tamin’ny 7 Desambra 2022, ary nomeny sazy mihantona roa taona. Mbola tsy miditra am-ponja aloha izy izao.

Ilay voampanga

Afaka matoky koa isika hoe tsy irery mihitsy isika rehefa miatrika fitsapana. Tsy hanary ny mpanompony tsy mivadika mihitsy i Jehovah.​—Salamo 9:9, 10.

Zava-nitranga

  1. 26 Martsa 2019

    Natao savahao ny tranon’ny Rahalahy Vladimir Suvorov mba hahafahana manadihady ny momba azy

  2. 31 Aogositra 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Vadim, satria hoe nandray anjara tamin’ny zavatra fanaon’ny fikambanana raran’ny fanjakana

  3. 22 Oktobra 2021

    Natao savahao fanindroany ny tranony, dia nentina natao famotorana izy sy ny vadiny

  4. 14 Jolay 2022

    Tsy navela hanao dia lavitra i Vadim

  5. 18 Aogositra 2022

    Nanomboka ny fitsarana azy