Hijery ny anatiny

Rahalahy Gevorg Gevorkyan

21 SEPTAMBRA 2022 | VAOVAO FARANY: 19 JANOARY 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Hiarahanay Mizaka Izay Mitranga Eo”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Hiarahanay Mizaka Izay Mitranga Eo”

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Avtozavodskiy any Nizhny Novgorod ny Rahalahy Gevorg Gevorkyan, tamin’ny 17 Janoary 2023, dia nomena sazy mihantona enin-taona. Mbola tsy migadra aloha izy izao.

Zava-nitranga

  1. 17 Jolay 2019

    Nosavan’ny polisy ny tranony, ary nalain’izy ireo ny fitaovana elektronika sy ny antontan-taratasy

  2. 18 Jolay 2019

    Nosamborina tany am-piasany mba hoentina hofotopotorana. Adiny folo izy no notazonina tany

  3. 26 Aogositra 2021

    Noferana ny toerana azony aleha

  4. 24 Novambra 2021

    Nampangaina satria hoe nitarika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah

  5. 26 Janoary 2022

    Naverina tany amin’ny fampanoavana ilay raharaha

Ilay voampanga

Hita avy amin’ny ohatr’i Gevorg fa hahavita hanohitra an’i Satana sy ‘hanana finoana matanjaka’ isika tsirairay raha mitadidy hoe ‘ampijalina toy izany koa ny rahalahintsika rehetra.’​—1 Petera 5:9.