Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Dmitriy Ignatov sy Darya vadiny

12 JONA 2024 | VAOVAO FARANY: 25 JOLAY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Hoatran’ny Ekipa Iray … Manompo An’i Jehovah”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Hoatran’ny Ekipa Iray … Manompo An’i Jehovah”

Nomelohin’ny Fitsarana eo Anivon’ny Distrikan’i Sovietski any Oriol ny Rahalahy Dmitriy Ignatov, tamin’ny 24 Jolay 2024, ary voasazy hanao asa an-terivozona roa taona any am-ponja. Voatery hipetraka ao amin’ilay fonja izy, ary hasaina hanao asa ho tombontsoan’ny besinimaro any amin’izay toerana hasaina hanaovany an’izany. Mandritra ny fotoana hanasaziana azy, dia halain’ny fanjakana ny 5 isan-jaton’ny karamany.

Ilay voampanga

Tena mampahery antsika ny ohatr’i Dmitriy sy Darya. Mampahatsiahy antsika ilay izy hoe rehefa mampifantoka ny saintsika amin’ny zavatra any ambony foana isika, dia hatanjaka foana ny finoantsika na dia miatrika zava-tsarotra aza isika.​—Kolosianina 3:2.

Zava-nitranga

  1. 9 Desambra 2020

    Nosavana ny tranony

  2. 28 Oktobra 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  3. 13 Septambra 2023

    Nosavana indray ny tranony

  4. 4 Martsa 2024

    Nanomboka ny fitsarana azy