Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksey Kupriyanov sy Yelena vadiny

16 FEBROARY 2023 | VAOVAO FARANY: 21 SEPTAMBRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Lasa Ankasitrahako Kokoa Izao ny Zavatra Omen’i Jehovah”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Lasa Ankasitrahako Kokoa Izao ny Zavatra Omen’i Jehovah”

Nomelohin’ny Fitsaran’i Kovrovskiy, any amin’ny Faritr’i Vladimir, higadra herintaona ny Rahalahy Aleksey Kupriyanov. Noraisina hoe efa voaefa anefa ny saziny noho ny fotoana efa nigadrany talohan’ny fitsarana azy sy ny fotoana niambenana azy tany an-tranony. Tsy naiditra am-ponja aloha izy izao.

Ilay voampanga

Tapa-kevitra koa isika hoe hampiasaintsika tsara izay rehetra omen’i Jehovah antsika, satria hanampy antsika izany ‘hitafy ny fiadiana’ omeny mba hahatonga antsika “ho mafy orina” ka hahavita “hanohitra ny teti-dratsin’ny Devoly.”​—Efesianina 6:11.

Zava-nitranga

  1. 17 Febroary 2021

    Nosavain’ny manam-pahefana ny trano fito misy Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny tranon-dry Kupriyanov. Rahalahy sy anabavy 23 no natao famotorana

  2. 28 Jona 2021

    Nisokatra ny raharaha mikasika azy. Nampangaina hoe mpanao heloka bevava sady nandray anjara tamin’ny asan’ny fikambanana mampidi-doza satria nanatrika fivoriana

  3. 8 Jolay 2021

    Nosavaina fanindroany ny tranony. Natao famotorana indray ary nampidirina am-ponja vonjimaika

  4. 9 Jolay 2021

    Nafindra tany am-ponja mba hiandry ny fitsarana azy

  5. 19 Novambra 2021

    Nafahana tany am-ponja dia lasa nambenana tany an-tranony

  6. 21 Jona 2022

    Lasa navela hivoaka ny tranony, saingy noferana ny toerana azony naleha sy ny zavatra azony natao

  7. 4 Oktobra 2022

    Nanomboka ny fitsarana azy