Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Aleksandr Shutov

12 SEPTAMBRA 2022 | VAOVAO FARANY: 13 JONA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | Mbola Miantehitra Amin’i Jehovah sy Mitady ny Tari-dalany Ihany i Aleksandr Shutov

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | Mbola Miantehitra Amin’i Jehovah sy Mitady ny Tari-dalany Ihany i Aleksandr Shutov

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Lazo, any amin’ny Faritanin’i Khabarovsk, ny Rahalahy Aleksandr Shutov tamin’ny 9 Jona 2023, ary nahazo sazy mihantona roa taona sy dimy volana. Mbola tsy migadra aloha izy amin’izao.

Zava-nitranga

  1. 26 Jolay 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  2. 30 Jolay 2021

    Nosavana ny tranony. Voasambotra i Aleksandr, dia natao fanadihadiana. Nafahana izy avy eo fa tsy nahazo niala ny faritra nisy azy

  3. 3 Aogositra 2021

    Nampidirina tao amin’ny lisitry ny olona “mampidi-doza” any Rosia

  4. 28 Aprily 2022

    Nanomboka notsaraina satria, hono, nanao heloka bevava

Ilay voampanga

Mihamafy ny fanenjehana. Mila manatanjaka ny finoantsika isika rehetra dieny izao sady tapa-kevitra ny ‘hatoky hoe be fitiavana sy tsy mivadika mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.’​—Salamo 52:8