Hijery ny anatiny

Rahalahy Dmitriy Dolzhikov sy Marina, vadiny

2 MEY 2023 | VAOVAO FARANY: 3 JOLAY 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | Nandrisika Azy ny Ohatr’ireo Olona Nanam-pinoana

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | Nandrisika Azy ny Ohatr’ireo Olona Nanam-pinoana

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Leninski any Novossibirsk ny Rahalahy Dmitriy Dolzhikov tamin’ny 30 Jona 2023, ary voaheloka higadra telo taona. Novan’ny mpitsara ho asa an-terivozona telo taona ilay sazy. Tsy voatery mankany am-ponja aloha izy amin’izao. Mandritra ny fotoana hanasaziana azy, dia halain’ny fanjakana ny 10 isan-jaton’ny karamany. Tsy mahazo mivoaka ny faritra misy azy koa izy.

Ilay voampanga

Matoky isika hoe mbola hampahery an’i Dmitriy sy hampahery antsika rehetra foana i Jehovah rehefa mahita ny finoantsika sy ny fiaretantsika.​—Apokalypsy 2:19.

Zava-nitranga

  1. 13 Mey 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  2. 8 Septambra 2022

    Nosavana ny trano. Notanana am-ponja vonjimaika

  3. 9 Septambra 2022

    Nalaina am-bavany sy nentina fiaramanidina avy ao Tcheliabinsk mba ho any amin’ny fonja hitanana azy vonjimaika any Novossibirsk, izay any amin’ny 1 500 kilaometatra mahery miala eo

  4. 11 Novambra 2022

    Nanomboka ny fitsarana azy

  5. 24 Novambra 2022

    Navoaka tany am-ponja ary nambenana tao an-trano