Hijery ny anatiny

Rahalahy Yevgeniy Yegorov

1 APRILY 2021 | VAOVAO FARANY: 17 FEBROARY 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | Tadiavin’ny Fitsarana Rosianina Tsy Hanana Fahalalahana Ara-pivavahana Intsony ny Rahalahy Yevgeniy Yegorov

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | Tadiavin’ny Fitsarana Rosianina Tsy Hanana Fahalalahana Ara-pivavahana Intsony ny Rahalahy Yevgeniy Yegorov

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, ny Rahalahy Yevgeniy Yegorov tamin’ny 17 Febroary 2023, ary nahazo sazy mihantona roa taona sy tapany. Mbola tsy migadra izy izao.

Tamin’ny 3 Oktobra 2022, dia nofoanan’ny fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ilay didy hoe meloka i Yevgeniy. Io no tohin’ilay fanapahan-kevitry ny fitsarana ambony ambaratonga fahasivy hoe haverina any amin’ny fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ilay raharaha mba hotsaraina fanindroany. Halefa any amin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy izao ilay raharaha mba haverina tsaraina.

Nolavin’ny fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny fampakarana fitsarana nataon’i Yevgeniy, tamin’ny 25 Novambra 2021. Mbola manan-kery àry ilay sazy nomena azy tamin’ny voalohany. Mbola tsy migadra izy izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, i Yevgeniy tamin’ny 21 Jona 2021, ary nahazo sazy mihantona roa taona sy tapany.

Ilay voampanga

Yevgeniy Yegorov

  • Teraka: 1991 (Birobidzhan)

  • Mombamomba azy: Notezain’ny mamany sy ny bebeny. Nianatra ho injeniera momba ny elektrisite. Mpanamboatra lakile sy mpanamboatra ny simba no asany. Tia mamaky boky sy manoratra. Efa namoaka boky misy tantara sy tononkalo. Lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa tamin’ny 2005. Nanambady an’i Kseniya tamin’ny Septambra 2019. Niteraka lahikely ry zareo tamin’ny Aogositra 2020

Mombamomba an’ilay raharaha

Nisava trano maromaro tany Birobidzhan ny polisy avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), tamin’ny Mey 2018. Taloha kelin’ny mariaziny, dia nampangaina ho nanao “heloka bevava” i Yevgeniy satria nanaraka ny zavatra inoany sy namaky Baiboly. Tsy navela hiala ny faritra nisy azy izy. Voampanga koa i Larisa Artamonova, maman’i Yevgeniy, taorian’ilay mariazy. Nanomboka tamin’ny Desambra 2019 ny fitsarana an’i Yevgeniy tany amin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan.

Nilaza i Yevgeniy fa mahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jehovah izy izao. Hoy izy: “Nandritra an’ireo fotoana mafy indrindra tamiko, dia i Jehovah no nanampy ahy ho tony sy nanome ahy ‘hery mihoatra noho ny an’ny olombelona.’”​—2 Korintianina 4:7.

Na dia eo aza ny fanampian’i Jehovah, dia fantatr’i Yevgeniy fa mila miomana mialoha ho amin’izay hitranga amin’ny hoavy sy miezaka mifandray akaiky amin’i Jehovah foana izy. Nanazava izy hoe: “Ny tena zava-dehibe amiko dia ny manatsara foana ny fifandraisako amin’i Jehovah, na inona na inona toe-javatra misy ahy.”

Matoky isika hoe hampahery an’i Yevgeniy sy Kseniya ary ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia ireto teny ao amin’ny Salamo 10:17 ireto, na dia eo aza ny olana mahazo azy ireo: “Fa hohenoinao kosa, Jehovah ô, ny fitalahoan’ny mpandefitra. Hanatanjaka ny fony ianao sady hihaino tsara azy.”