Hijery ny anatiny

Rahalahy Yuriy Chernykh

26 APRILY 2023 | VAOVAO FARANY: 3 OKTOBRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Tazonin’i Jehovah Amin’ny Tanany Anankiroa Izahay”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Tazonin’i Jehovah Amin’ny Tanany Anankiroa Izahay”

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Prokopievsk hanao asa an-terivozona telo taona a ny Rahalahy Yuriy Chernykh, tamin’ny 28 Septambra 2023. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy izao.

Ilay voampanga

Matoky isika fa homen’i Jehovah ‘fiadanana toy ny renirano’ foana ny mpanompony rehetra satria miezaka mafy mba tsy hivadika aminy.​—Isaia 48:18.

Zava-nitranga

  1. 12 Jolay 2020

    Nosavana ny tranony. Samy natao famotorana i Yuriy sy Yelena

  2. 5 Novambra 2021

    Nisokatra ny raharaham-pitsarana

  3. 10 Novambra 2021

    Nosavana fanindroany ny tranony

  4. 26 Aprily 2022

    Tsy navela hanao dia lavitra i Yuriy

  5. 18 Jolay 2022

    Nanomboka ny fitsarana

a Mahazo asa avy amin’ny manam-pahefana ny olona iray voaheloka hanao asa an-terivozona. Alaina aminy anefa ny 5 ka hatramin’ny 20 isan-jaton’ny karamany. Raha milaza ny manam-pahefana hoe tsy miara-miasa tsara amin-dry zareo ilay olona na tsy mety hiasa, dia mety halefa any am-ponja izy.