Hijery ny anatiny

Rahalahy Roman Adestov sy Alina, vadiny

28 APRILY 2023 | VAOVAO FARANY: 16 JONA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Tsy Hisy Hahavita Hanakana Ahy Tsy ho Faly”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Tsy Hisy Hahavita Hanakana Ahy Tsy ho Faly”

Nomelohin’ny Fitsaran’i Kovrov, any amin’ny Faritr’i Vladimir, ny Rahalahy Roman Adestov tamin’ny 15 Jona 2023, ary voasazy higadra herintaona. Efa voaefa ny saziny satria efa notanana am-ponja vonjimaika izy.

Ilay voampanga

Matoky isika fa ‘hiaro an’izay miantehitra tanteraka aminy’ sy ‘hampiadana foana’ azy ireo i Jehovah, ilay “Vatolampy mandrakizay.”​—Isaia 26:3, 4.

Zava-nitranga

  1. 28 Jona 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  2. 8 Jolay 2021

    Nosavana ny trano. Voasambotra

  3. 9 Jolay 2021

    Notanana am-ponja vonjimaika

  4. 25 Novambra 2021

    Navoaka tany am-ponja ary nambenana tao an-trano

  5. 21 Jona 2022

    Tsy nambenana tao an-trano intsony fa lasa tsy nahazo nivoaka ny faritra nisy azy indray

  6. 26 Septambra 2022

    Nanomboka notsaraina