Hijery ny anatiny

Rahalahy Boris Simonenko sy Ida vadiny

1 FEBROARY 2023 | VAOVAO FARANY: 1 AOGOSITRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Tsy Ilay Zavatra Mahazo Ahy no Mila Miova”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Tsy Ilay Zavatra Mahazo Ahy no Mila Miova”

Nomelohin’ny fitsarana any amin’ny tanànan’i Kovrovskiy any amin’ny Faritr’i Vladimir higadra roa taona sy fito volana ny Rahalahy Boris Simonenko, tamin’ny 28 Jolay 2023. Efa notanana am-ponja vonjimaika anefa izy sady efa nambenana tao amin’ny trano iray, dia tsy nila nanefa an’ilay saziny intsony. Tsy voatery migadra intsony izy izao.

Ilay voampanga

Mbola matanja-tsaina sy faly i Boris sy ny vady aman-janany hatramin’izao satria miezaka mifandray tsara amin’i Jehovah foana. Matoky isika hoe hitohy foana izany.​—1 Tantara 16:27.

Zava-nitranga

  1. 8 Febroary 2021

    Nataon’ny manam-pahefana famotorana izy. Nalaina feo an-tsokosoko ny resany tamin’ny telefaonina, dia izay no nampiasain-dry zareo

  2. 17 Febroary 2021

    Nosavan’ny polisy ny tranony. Nofotopotorana izy dia notazonina tany amin’ny polisy

  3. 18 Febroary 2021

    Nampangain’ny manam-pahefana hoe nanao heloka bevava satria hoe nitarika fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Internet. Nampidirina am-ponja vonjimaika

  4. 13 Jolay 2021

    Navoaka ny fonja dia nambenana tao amin’ny trano iray

  5. 17 Febroary 2022

    Navela nivoaka ny trano amin’izay, fa tsy nahazo nanao dia lavitra

  6. 15 Septambra 2022

    Notsaraina