Hijery ny anatiny

Rahalahy Sergey Kuznetsov

6 JANOARY 2023 | VAOVAO FARANY: 19 APRILY 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Vao Mainka Aho Matoky An’i Jehovah”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | “Vao Mainka Aho Matoky An’i Jehovah”

Namoaka didy ny fitsarana any Nevinnomyssk, any amin’ny Faritanin’i Stavropol, tamin’ny 18 Aprily 2023, hoe homena sazy mihantona enin-taona ny Rahalahy Sergey Kuznetsov. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy izao.

Ilay voampanga

Rehefa mieritreritra ny fomba ikarakaran’i Jehovah an’i Sergey isika, dia vao mainka matoky hoe mahita ‘ny fijaliana rehetra’ mahazo antsika i Jehovah, ary ‘hibata sy hitondra’ antsika foana izy rehefa miatrika fitsapana isika na inona izany na inona.​—Isaia 63:9.

Zava-nitranga

  1. 21 Novambra 2018

    Nanao bemidina tany amin’ny tranona Vavolombelon’i Jehovah maromaro tany Nevinnomyssk ny manam-pahefana, anisan’izany ny tao an-tranon’i Sergey

  2. 12 Desambra 2019

    Nampangaina hoe mpanao heloka bevava

  3. 18 Jona 2020

    Nampidirina ao amin’ny lisitry ny olona mampidi-doza

  4. 31 Mey 2022

    Tsy navela hanao dia lavitra

  5. 7 Septambra 2022

    Nanomboka ny fitsarana azy