Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Ranabavy Margarita Moiseyenko sy Konstantin vadiny; Ranabavy Galina Yatsik; ary Ranabavy Yelena Yatsyk

14 SEPTAMBRA 2023 | VAOVAO FARANY: 22 SEPTAMBRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO ANABAVY | Ny Vavaka no Manampy ny Anabavy Telo Hatanjaka Foana

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO ANABAVY | Ny Vavaka no Manampy ny Anabavy Telo Hatanjaka Foana

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Zeya any amin’ny Faritr’i Amour ny Ranabavy Margarita Moiseyenko sy Galina Yatsik ary Yelena Yatsyk. Nomena sazy mihantona telo taona i Margarita, roa taona i Galina, ary roa taona sy tapany i Yelena. Tsy mbola naiditra am-ponja aloha ry zareo amin’izao.

Ireo voampanga

Hanampy antsika hiezaka hanana ny toetra ilaina mba handresena an’izay fitsapana mahazo antsika ny tantaran’ireo anabavintsika ireo. Mampahatsiahy antsika koa izany hoe henon’i Jehovah ny vavaka ataontsika.​—1 Jaona 5:14.

Zava-nitranga

  1. 21 Martsa 2019

    Nosavana ny tranon-dry Moiseyenko

  2. 13 Oktobra 2020

    Nosavana ny tranon-dry Yelena sy Galina

  3. 22 Novambra 2021

    Nisokatra ny raharaha iampangana an-dry zareo ho nanao heloka bevava

  4. 15 Febroary 2022

    Tsy navela hiala lavitra ny toerana misy azy

  5. 24 Aprily 2023

    Nanomboka ny fitsarana

a b Tsy mpihavana ny Ranabavy Galina Yatsik sy Yelena Yatsyk.