Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana, ambony: Ny Rahalahy Vyacheslav Boronos, Saveliy Gargalyk, Yevgeniy Kayryak, ary Artem Kim. Ambany: Ny Rahalahy Sergey Loginov, Aleksey Plekhov, ary Sergey Volosnikov

26 JOLAY 2022 | VAOVAO FARANY: 6 DESAMBRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO RAHALAHY | Lasa Nahery Satria Nivavaka

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO RAHALAHY | Lasa Nahery Satria Nivavaka

Nomelohin’ny Fitsaran’i Sourgout, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena any Khanty-Mansi, Yugra ny rahalahy 17 sy anabavy iray, ny 5 Desambra 2023. Anisan’izany ny Rahalahy Vyacheslav Boronos, Saveliy Gargalyk, Yevgeniy Kayryak, Artem Kim, Sergey Loginov, Aleksey Plekhov, ary Sergey Volosnikov. Sazy mihantona enin-taona sy telo volana hatramin’ny fito taona no azon’ireo rahalahy 17. Sazy mihantona telo taona sy telo volana no azon’ilay anabavy. Mbola tsy migadra aloha ry zareo izao.

Zava-nitranga

  1. 15 Febroary 2019

    Nisava tranona Vavolombelon’i Jehovah maromaro tany Sourgout sy ny tanàna manodidina an’i Sourgout ny polisy. Rahalahy telo àry no nalefa tany am-ponja vonjimaika, anisan’izany i Sergey Loginov. Noterena hankany amin’ny hopitaly fitsaboana marary saina ny rahalahy iray hafa taorian’izay. Nampijalijalina izy fito mirahalahy voakasika tamin’ity raharaha ity rehefa tsy nety nilaza ny mombamomba ny mpiara-manompo taminy.

  2. 26 Febroary 2019

    Nasain’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona navoakan’ny manam-pahefana rosianina mba hotsaboina i Sergey Loginov

  3. 11 Aprily 2019

    Navoaka tany am-ponja vonjimaika i Sergey Loginov

  4. 29 Oktobra 2021

    Nanomboka notsaraina izy ireo satria hoe mpanao heloka bevava

Ireo Voampanga

Matoky isika hoe henoin’i Jehovah ny vavaka ataon’ireny rahalahintsika be herim-po ireny. Matoky koa isika fa hovalian’i Jehovah haingana ny vavak’izy ireo rehefa ao anatin’ny mafy ry zareo.​—Salamo 69:17.