Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Ny Rahalahy Aleksandr Polozov sy Svetlana vadiny; ary ny Rahalahy Stepan Shevelev sy Oksana vadiny

24 JANOARY 2022 | VAOVAO FARANY: 29 DESAMBRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO RAHALAHY | Nahazo Fitahiana Be dia Be ny Rahalahy Aleksandr Polozov sy Stepan Shevelev na dia Nenjehina Aza

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO RAHALAHY | Nahazo Fitahiana Be dia Be ny Rahalahy Aleksandr Polozov sy Stepan Shevelev na dia Nenjehina Aza

Tamin’ny 29 Desambra 2023, dia nomelohin’ny Fitsarana any Norilsk, any amin’ny Faritanin’i Krasnoïarsk, ny Rahalahy Aleksandr Polozov sy Stepan Shevelev. Nahazo sazy mihantona enin-taona avy ry zareo fa mbola tsy nampidirina am-ponja aloha izao.

Zava-nitranga

  1. 20 Oktobra 2019

    Nisy miaramila be dia be nanodidina ny toby filasiana tany Norilsk. Vavolombelona 50 mahery no voatazona

  2. 26 Oktobra 2019

    Nosamborina i Aleksandr dia notanana am-ponja vonjimaika

  3. 21 Janoary 2020

    Nafahana i Aleksandr telo volana latsaka tatỳ aoriana

  4. 19 Febroary 2020

    Nampidirina ho anisan’ny olona mpampihorohoro i Aleksandr, dia tsy nataon’ny banky nandeha intsony ny kaontiny

  5. 6 Mey 2021

    Nampangaina i Stepan hoe “niray tsikombakomba tamin’ny resaka heloka bevava” niaraka tamin’i Aleksandr. Anisan’ny “heloka bevava” nataon’i Stepan, hono, ny nivavaka sy nitory

Ilay voampanga

Matoky isika fa mbola hanohana ny mpiara-manompo amintsika any ihany i Jehovah. (Salamo 94:14) Tsy mivadika mihitsy mantsy ry zareo ka tsy miala amin’ny fahamarinana mihitsy, na dia enjehina aza.