Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Vladimir Kochnev sy Galina vadiny; Rahalahy Vladislav Kolbanov. Farany ambany: Rahalahy Pavel Lekontsev sy Oksana vadiny; Rahalahy Sergey Logunov sy Larisa vadiny; Rahalahy Nikolay Zhugin sy Galina vadiny

1 OKTOBRA 2021 | VAOVAO FARANY: 29 AOGOSITRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO RAHALAHY | Rahalahy Dimy Tapa-kevitra ny Tsy Hivadika na dia Enjehina Aza

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO RAHALAHY | Rahalahy Dimy Tapa-kevitra ny Tsy Hivadika na dia Enjehina Aza

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Promyshlenniy any Orenburg ny Rahalahy Vladimir Kochnev, Vladislav Kolbanov, Pavel Lekontsev, Sergey Logunov, ary Nikolay Zhuginny. Sazy mihantona roa taona sy tapany ka hatramin’ny telo taona sy tapany no azon-dry zareo. Mbola tsy nampidirina am-ponja aloha ry zareo izao.

Zava-nitranga

  1. 1 Martsa 2021

    Herintaona taorian’ny namerenana an’ilay raharaha tany amin’ny mpampanoa lalàna dia nanomboka ny fitsarana teny amin’ny Fitsaram-paritr’i Promyshlenniy any Orenburg

  2. 14 Janoary 2020

    Naverina tany amin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna ilay raharaha satria tsy nazava tsara hoe inona no niampangana an’ireo rahalahy ireo

  3. 3 Aogositra 2018

    Nafahana i Vladimir ary nambenana tao an-trano rehefa avy natao am-ponja vonjimaika nandritra ny 79 andro

  4. 16 Mey 2018

    Nanao savahao tranona fianakaviana 19 tao amin’ny Faritr’i Orenburg ny manam-pahefana. Natao am-ponja vonjimaika i Vladimir sy Vladislav. Nafahana i Vladislav rehefa afaka telo andro ary nambenana tao an-trano

  5. 14 Mey 2018

    Nampangain’ny Biraon’ny Famotorana Sahanin’ny Komity Mpanao Famotorana any Rosia ho an’ny Faritr’i Orenburg hoe mpanao heloka bevava ny rahalahy dimy

Ireo voampanga

Telo taona izay izy dimy mirahalahy no niady ho an’ny finoany. Hita hoe tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah ry zareo. Miharihary koa hoe tsy mivadika amin-dry zareo i Jehovah.​—2 Samoela 22:26.