Hijery ny anatiny

Rahalahy Oleg Postnikov sy Agnessa vadiny

23 DESAMBRA 2021 | VAOVAO FARANY: 29 AOGOSITRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IZY MIVADY | Milamin-tsaina ry Postnikov Noho ny Fandaharana Ataon’i Jehovah

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IZY MIVADY | Milamin-tsaina ry Postnikov Noho ny Fandaharana Ataon’i Jehovah

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhanskiy any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny Rahalahy Oleg Postnikov sy Ranabavy Agnessa Postnikova, tamin’ny 23 Aogositra 2023. Nomena sazy mihantona dimy taona sy tapany i Oleg, ary efa-taona sy tapany i Agnessa. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha ry zareo izao.

Nofoanan’ny fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny fanamelohana ny Rahalahy Oleg Postnikov sy Ranabavy Agnessa Postnikova, tamin’ny 11 Oktobra 2022. Haverina hotsaraina indray àry izy mivady.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhanskiy any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy i Oleg sy Agnessa, tamin’ny 25 Aprily 2022. Sazy mihantona dimy taona sy tapany no nomena an’i Oleg, ary dimy taona ny an’i Agnessa. Mbola tsy migadra ry zareo izao.

Zava-nitranga

  1. 12 Febroary 2021

    Nampangain’ny FSB ho mpanao heloka bevava i Agnessa. Nolazaina hoe nanangana antokon’olona “mpanao heloka bevava”, hono, ry Postnikov sady miresadresaka amin’olona ny tanjon-dry zareo, nefa “mampidi-doza”, hono, ilay izy. Tsy nahazo niala tao amin’ilay faritra nisy an-dry zareo i Oleg sy Agnessa sady tsy nahazo naka vola tao amin’ny kaontiny tany amin’ny banky. Nampidirina tao amin’ilay lisitra misy an’ireo olona heverin’i Rosia hoe mpampihorohoro koa ny anaran-dry zareo

  2. 12 Febroary 2020

    Nampangain’ny FSB ho mpanao heloka bevava i Oleg

Ireo voampanga

Hita avy amin’ny tenin’ireo rahalahy sy anabavy ireo hoe ampian’i Jehovah ho vonona hiatrika fitsapana isan-karazany ny vahoakany. Enga anie isika rehetra ka hatoky foana hoe ‘be fitiavana sy tsy mivadika ary mendri-pitokisana’ i Jehovah.​—Salamo 115:1.