Hijery ny anatiny

Rahalahy Dmitriy Semenov sy Nadezhda vadiny

4 NOVAMBRA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IZY MIVADY | Nampahery An-dry Zareo ny Tantaran’ny Olona Nanam-pinoana ao Amin’ny Baiboly

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IZY MIVADY | Nampahery An-dry Zareo ny Tantaran’ny Olona Nanam-pinoana ao Amin’ny Baiboly

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Petropavlovsk-Kamtchatski, any amin’ny Faritanin’i Kamtchatka, ny Rahalahy  Dmitriy Semenov sy Nadezhda vadiny tamin’ny 8 Novambra 2022. Samy nomena sazy mihantona efa-taona izy mivady. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha ry zareo izao.

Zava-nitranga

  1. 3 Septambra 2021

    Lasa niara-niasa tamin’ny polisin’ny FSB ny vehivavy iray niresadresaka momba ny Baiboly tamin’i Dmitriy sy Nadezhda. Noho ny fanazavana nampitain’io vehivavy io tamin’ny polisy, dia nampangaina ho mpanao heloka bevava izy mivady. Mandresy lahatra ny olona mba hiditra ao amin’ny fikambanana mampidi-doza sy handray anjara amin’ny asan’izy io, hono, ry zareo

  2. 6 Septambra 2021

    Natao savahao ny tranon’izy mivady, dia nentina mba hatao famotorana ry zareo ary tsy navela hanao dia lavitra

  3. 26 Jolay 2022

    Nanomboka ny fitsarana

Ireo voampanga

Ampian’i Jehovah mba ho be herim-po sy hahery ny mpanompony rehefa enjehina, ary mahatsapa tsara an’izany i Dmitriy sy Nadezhda. Tsy mba manary izany mihitsy i Jehovah!​—Josoa 1:9.