Hijery ny anatiny

Ankavia miankavanana: Ny Rahalahy Alam Aliyev, Valeriy Kriger, Sergey Shulyarenko, Dmitriy Zagulin

18 MARTSA 2021 | VAOVAO FARANY: 20 DESAMBRA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA NY RAHALAHY VITSIVITSY | Mety Higadra ny Rahalahy Efatra any Birobidzhan

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA NY RAHALAHY VITSIVITSY | Mety Higadra ny Rahalahy Efatra any Birobidzhan

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny Rahalahy Alam Aliyev, Valeriy Kriger, Sergey Shulyarenko, ary Dmitriy Zagulin. Voaheloka higadra enin-taona sy tapany ny Rahalahy Aliyev, ary telo taona sy tapany kosa ny Rahalahy Zagulin. Ny Rahalahy Kriger sy Shulyarenko indray samy voaheloka higadra fito taona. Tonga dia nentina tany am-ponja izy efatra mirahalahy rehefa vita ny fitsarana.

Ilay voampanga

Alam Aliyev

  • Teraka: 1963 (Lyaki Village, any Azerbaïdjan)

  • Mombamomba azy: Anisan’ny tafika sovietika tany Alemaina izy, ary niasa tamina sambo fanjonoana tatỳ aoriana. Nifindra tany Khabarovsk, any Rosia, izy tamin’ny 1989. Miasa amina orinasa izy izao

    Vao nifindra kelikely tany Rosia izy no nianatra Baiboly. Vita batisa tamin’ny 1991. Nanambady an’i Svetlana izy tamin’ny 2015. Tia mitsangantsangana ry zareo

Valeriy Kriger

  • Teraka: 1968 (tany amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy)

  • Mombamomba azy: Tsy mpivavaka ny fianakaviany. Tia nanao gymnastique izy tamin’ny mbola kely. Nianatra momba ny fanorana izy ary izany no asany amin’izao. Vita batisa tamin’ny 1994. Nanambady an’i Natalya izy tamin’ny 2017. Tia milalao voley ry zareo ary tia mitsangantsangana

Sergey Shulyarenko

  • Teraka: 1984 (Khabarovsk)

  • Mombamomba azy: Nipetraka tany Turkménistan izy tamin’ny mbola kely satria miaramila tany ny dadany. Mpikojakoja milina no asany. Tia manao sary izy sady tia mianatra fiteny vahiny. Ny mamany no nampianatra azy momba an’i Jehovah. Vita batisa tamin’ny 1997 tamin’izy 13 taona

Dmitriy Zagulin

  • Teraka: 1973 (Tany Khabarovsk)

  • Mombamomba azy: Ny hanao miaramila no mba nofinofiny tamin’ny mbola kely. Nianatra haiady sy nampiofanina hampiasa elon’aina izy. Mpiasan’ny lalamby izy izao. Nianatra Baiboly izy tamin’ny 1991. Vita batisa tamin’ny 1992. Nanambady an’i Tatyana tamin’ny 2012

Mombamomba an’ilay raharaha

Nisy tetika efa maty paika nantsoina hoe “Andro Fitsarana”, tamin’ny 17 Mey 2018, ary polisy 150 no nanao an’ilay izy tany Birobidzhan. Nampangaina hoe mpanao heloka bevava ny Rahalahy Alam Aliyev tamin’io, ka notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny valo andro. “Nandamina ny asan’ny fikambanana mampidi-doza”, hono, mantsy izy. Nampangaina ho mpanao heloka bevava koa ny Rahalahy Valeriy Kriger sy Sergey Shulyarenko ary Dmitriy Zagulin. Tsy misy mahazo mivoaka an’ilay faritra izy efa-dahy ireo. Tsy vitan’izay fa samy nampangaina ho mpanao heloka bevava koa ny vadin’i Alam sy Valeriy ary Dmitriy, saingy raharaha samy hafa ny an-dry zareo.

Nanao fikarohana momba ny hoe ahoana no hiatrehana fanenjehana i Alam, talohan’ny nisamborana azy. Nozarainy tamin’ny olon-kafa tao amin’ny fiangonana koa ny zavatra nianarany. Hoy izy: “Nampahereziko ny rahalahy sy anabavy hoe aza matahotra rehefa enjehina. Tena ara-potoana ilay izy, satria herinandro katroka taorian’izay dia nosavaina ny tranon’ny mpiara-manompo. Fianakaviana 21 tao amin’ny fiangonana no niharan’izany.”

Tsy afaka namonjy fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Séoul, tany Korea Atsimo i Valeriy sy Natalya vadiny, satria ry zareo tsy nahazo nanao dia lavitra. Tsy nahazo nitsidika ny ray aman-drenin’i Valeriy tany Israely koa aza ry zareo. Mampalahelo fa maty ny dadany tamin’ny Febroary 2019. Nodidiana teo amin’ny hazondamosiny anefa ny mamany, volana vitsivitsy talohan’izay, ka nila fikarakarana tontolo andro. Resy lahatra i Valeriy hoe tena nanampy i Jehovah. Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniny, kanefa nikarakara be ny mamany ny rahalahy sy anabavy tany Israely. Hoy i Valeriy: “Noresahinay tamin’i Jehovah ilay olana momba ny mamanay, dia namaly ny vavaka nataonay i Jehovah. Nampahery be azy ny mpiara-manompo tany Israely. Nitsidika azy ry zareo, niresaka taminy, dia nanasa azy hivory. Marina hoe tsy afaka niaraka tamin’ny mamanay izahay, fa hitanay hoe tena nanampy ny tanan’i Jehovah. Nampiasa ny mpiara-manompo izy.”

Nanamafy ny zavatra efa fantatr’i Dmitriy ilay fanenjehana. Hoy izy: “Rehefa milamindamina iny ny fiainana ka tsy voarara ny fanompoantsika an’Andriamanitra, dia mety tsy ho rototra amin’ny harena ara-panahy ananantsika isika fa mety hanao tsirambina azy ireny. Rehefa raran’ny manam-pahefana anefa ny fanompoantsika, dia tonga saina isika hoe hay tena ilaina ny mampiasa tsara an’ireny zavatra efa ananantsika ireny amin’izao sady miomana mialoha mba hiatrika fanenjehana. Hendry isika raha dieny mbola tsy misy fandrarana dia ‘manangona harena any an-danitra’, satria izay no hanampy antsika hiaritra hatramin’ny farany sy hanatanjaka ny finoantsika foana.”​—Matio 6:20.

Hita hoe tena omen’i Jehovah an’ilay “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona” ny rahalahy malalantsika any Rosia, mba hahafahany miaritra.​—2 Korintianina 4:7.