Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Dmitriy Malevaniy, Ranabavy Olga Opaleva, Ranabavy Olga Panyuta, ary Rahalahy Aleksey Trofimov

29 JONA 2021 | VAOVAO FARANY: 13 FEBROARY 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOASAZY HIGADRA | Faly Sady Mahazo Hery Izy Ireo na dia Miatrika Fitsarana Aza

VAOVAO FARANY: VOASAZY HIGADRA | Faly Sady Mahazo Hery Izy Ireo na dia Miatrika Fitsarana Aza

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Spassk, any amin’ny Faritanin’i Primorsky, ny Rahalahy Dmitriy Malevaniy, ny Ranabavy Olga Opaleva sy Olga Panyuta, ary ny Rahalahy Aleksey Trofimov, tamin’ny 10 Febroary 2023. Voasazy higadra fito taona ny Rahalahy Malevaniy. Ny Rahalahy Trofimov indray voasazy higadra enin-taona sy tapany. Voasazy higadra efa-taona ny Ranabavy Panyuta. Tonga dia naiditra am-ponja izy telo raha vao niala tao amin’ny fitsarana. Sazy mihantona efa-taona sy tapany kosa no azon’ny Ranabavy Opaleva. Mbola tsy migadra izy izao.

Ireo voampanga

Dmitriy Malevaniy

  • Teraka: 1990 (Spassk-Dalny)

  • Mombamomba azy: Mampianatra momba ny famoronana programa amin’ny ordinatera. Mpanao zava-kanto i Ulyana vadiny. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Dmitriy rehefa nihalehibe. Lasa resy lahatra hoe azo atokisana ny Baiboly ary mahafinaritra kokoa ny fiainana rehefa arahina ny toro lalana ao. Natao batisa tamin’ny 2004

Olga Opaleva

  • Teraka: 1952 (Spassk-Dalny)

  • Mombamomba azy: Mbola kely dia efa nino an’Andriamanitra saingy tsy nahaliana azy ny Baiboly. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah taoriana kelin’ny nahafatesan’ny zanany vavy 22 taona. Faly be rehefa nahalala fa mampanantena ny Baiboly hoe mbola hatsangana ny maty. Rehefa nihanatanjaka ny finoany, dia nanomboka niresaka momba ny fanantenany tamin’ny olon-kafa. Natao batisa tamin’ny 1995. Tia mozika sy tia mihira hatramin’ny mbola kely. Ny mihira ny hiran’ilay Fanjakana no tena ankafiziny

Olga Panyuta

  • Teraka: 1959 (Nijni Novgorod)

  • Mombamomba azy: Mpampianatra tany amin’ny akanin-jaza sy niasa tany amina fikambanana mpanao asa soa, fa efa misotro ronono izao. Nanambady an’i Vladimir tamin’ny 1982. Manan-janaka roa vavy sy lahy iray ry zareo, ary efa lehibe izy telo mianadahy ireo izao. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Olga, dia tena tiany ilay hoe mazava sy mora azo ny zavatra voalaza ao amin’ny Baiboly. Natao batisa tamin’ny 1996

Aleksey Trofimov

  • Teraka: 1959 (Mamakan, Faritr’i Irkoutsk)

  • Mombamomba azy: Tany amin’ny oniversite tany Vladivostok izy no nihaona tamin’i Tamara, dia nivady ry zareo tatỳ aoriana. Manan-janaka efatra sy zafikely maromaro ry zareo. Mpanamboatra lakile no asany fa lasa mpanara-maso ny toerana misy ny fitaovana fanafanana ao amin’ny trano anankiray izy vao haingana. Nanapa-kevitra hanompo an’i Jehovah izy tany amin’ny taona 1990 tany ho any. Rehefa nianatra ny Tenin’Andriamanitra mantsy izy, dia hitany hoe inona no tokony hatao mba hisy dikany kokoa ny fiainana. Natao batisa tamin’ny 1996

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina tao amin’ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah efatra tao Spassk-Dalny ny polisy tamin’ny 25 Novambra 2018, dia nanao savahao ny tranon-dry zareo. Nampiasa tsofa elektrika ry zareo mba hanagorobahana ny varavaran’ny tranon’i Olga Opaleva. Rehefa tafiditra tao an-trano ry zareo, dia nanontany azy hoe fa maninona izy no tsy nanokatra ny varavarana. Tsy nahavita namaly mazava tsara anefa ny Ranabavy Opaleva. Niantso fiara mpitondra marary àry ry zareo hitondrana azy tany amin’ny hopitaly. Hita avy eo hoe voan’ny aretim-po izy. Tamin’io andro io ihany izy dia nentin’ny polisy niala tao amin’ny hopitaly ho any amin’ny toerana fanaovana fanadihadiana. Noho ilay aretina nahazo azy, dia lasa tsy afaka miasa tsara izao ny tanany havia sy ny tongony havia. Ny Rahalahy Vitaliy Ilinykh no mikarakara azy. Voampanga ho mpanao heloka bevava koa anefa io zanany lahy io.

Notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny roa andro izy efatra ireo. Nafahana ry zareo tamin’ny 27 Novambra 2018 ary avy eo nambenana tany an-tranony. Nahena ny fameperana natao tamin’izy ireo, herintaona mahery taorian’izay.

Voampanga ho mandray anjara amin’ny asa mampidi-doza sady mandamina ny asan’ny fikambanana mampidi-doza ry zareo.

Nilaza ny naman-dry zareo sy ny havany hoe tsy azon-dry zareo hoe fa maninona no sazina noho ny finoany ny olom-pirenena tia fihavanana hoatr’izany. Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny sasany amin’izy ireo. Manohana an’i Dmitriy sy mampirisika azy mba tsy hilavo lefona na dia ny mpiara-miasa aminy aza, nefa tsy mitovy fivavahana aminy ry zareo.

Nilaza i Dmitriy hoe manampy azy i Jehovah matoa izy faly na dia enjehina aza. Hoy izy: “Ny an’i Mosesy izao ny tehiny no namantarana hoe niaraka taminy i Jehovah, fa ny ahy indray ny fifaliako no porofo hoe manohana ahy i Jehovah.” Nilaza koa izy fa “tena ho fitoriana vita ho azy amin’izay rehetra miasa ao amin’ny fitsarana sy izay mandray anjara amin’ny fanadihadiana momba an’ilay raharaha” ny fifaliany.

Izao no nolazain’i Olga Opaleva: “Hitako hoe mahavita miaritra aho, dia lasa tsapako hoe eo foana ny tanan’i Jehovah manohana ahy na aiza na aiza. Lasa miantehitra amin’i Jehovah amin’ny zava-drehetra aho izao, na dia amin’ny zavatra madinika aza. Apetrako eo an-tsorony daholo ny olana rehetra mahazo ahy.”

Inona no nanampy an’i Aleksey tamin’izy notanana am-ponja vonjimaika sy tamin’izy nambenana tao an-tranony? Hoy izy: “Nanampy ahy mba hatanjaka [i Jehovah]. Nanomboka nahatsapa an’izany aho tamin’izaho nampidirina am-ponja vonjimaika. Nangataka tamin’i Jehovah aho mba homeny herim-po. Tonga dia tsy nangovitra intsony ny tanako sy ny tongotro ary ny feoko. Nanapa-kevitra aho hoe hizatra an’ilay fiainako vaovao.”

Hoy i Olga Panyuta: “Mila miezaka mba tsy hivadika isika satria misy vokany amin’ny lazan’i Jehovah izany. Midika izany hoe mila matoky an’i Jehovah isika, manao izay tsara indrindra vitantsika mba hanompoana azy, ary miezaka mba hifandray akaiky kokoa aminy.”

Eo am-piandrasan’ireo rahalahy sy anabavintsika ireo ny didim-pitsarana, dia mivavaka isika mba hiantehitra tanteraka amin’i Jehovah, ilay Vatolampiny, foana ry zareo mba hahazo hery hiaretana.​—Deoteronomia 32:4.