7 JONA 2022 | VAOVAO FARANY: 3 APRILY 2023
ROSIA
VAOVAO FARANY: VOASAZY HIGADRA | Mahavita Miaritra Izy Ireo Satria Matoky An’i Jehovah
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Babushkinskiy, any Moscou, ny Rahalahy Ivan Chaykovskiy, Yuriy Chernyshev, Vitaliy Komarov, Sergey Shatalov, ary Vardan Zakaryan. Migadra enin-taona sy telo volana i Ivan, Yuriy, Vitaliy, ary Sergey. I Vardan indray migadra efa-taona sy telo volana. Tonga dia nentina tany am-ponja izy ireo rehefa avy teny amin’ny fitsarana.
Zava-nitranga
24 Novambra 2020
Tranona Vavolombelon’i Jehovah 20, fara fahakeliny, no nanaovan’ny polisy bemidina tany Moscou. Nosamborin’ny polisy i Ivan, Yuriy, Vitaliy, ary Sergey. Notanana am-ponja vonjimaika izy ireo avy eo, ary natao tao amin’ny efitra fanokanan-toerana. Nisy ekipa mpamokatra filma naka video an’i Yuriy sy ny fianakaviany, nandritra an’ilay fisavana sy fakana am-bavany azy ireo. Nalefa tamin’ny vaovao tao amin’ny televizionam-panjakana ilay video tatỳ aoriana
26 Novambra 2020
Nafahana i Sergey ary nambenana tao an-tranony. Notanana am-ponja vonjimaika i Vardan ary natokan-toerana, rehefa avy niditra hopitaly noho ny ratra nahazo azy nandritra an’ilay fisavana
27 Novambra 2020
Nafahan’ny fitsarana i Ivan sy Yuriy ary Vitaliy, ary nambenana tao an-tranony
30 Novambra 2020
Nafahan’ny manam-pahefana i Vardan ary nambenana tao an-tranony. Nametraka fitarainana tany amin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna izy taorian’izay, momba ny fampiasan-kery tsy ara-dalàna
16 Febroary 2022
Nanomboka ny fitsarana azy ireo
Ireo voampanga
Mampahery antsika ny mahita hoe manatona an’ireo rahalahintsika ireo sy ny fianakaviany i Jehovah, satria miezaka manatona azy foana izy ireo.—Jakoba 4:8.