Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Konstantin Sannikov

8 APRILY 2022 | VAOVAO FARANY: 16 FEBROARY 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOASAZY HIGADRA | Mbola Manampy ny Fianakaviany ho Akaiky An’i Jehovah Foana ny Raim-pianakaviana Iray na dia Efa Migadra Aza

VAOVAO FARANY: VOASAZY HIGADRA | Mbola Manampy ny Fianakaviany ho Akaiky An’i Jehovah Foana ny Raim-pianakaviana Iray na dia Efa Migadra Aza

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Sovetskiy, any Kazan, ny Rahalahy Konstantin Sannikov, tamin’ny 15 Febroary 2023. Migadra enin-taona sy tapany izy. Notanana am-ponja vonjimaika izy nanomboka tamin’ny Aogositra 2020 ary mbola any am-ponja hatramin’izao.

Zava-nitranga

  1. 25 Aogositra 2020

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava izy. Nametraka fitaovana fandraisam-peo mangingina tao an-tranon’i Konstantin mantsy ny mpanao famotorana talohan’io. Nilaza ny manam-pahefana fa nandamina asa “mampidi-doza” izy satria nampiantrano olona mba hanao resadresaka ara-baiboly

  2. 27 Aogositra 2020

    Nosamborina izy dia tonga dia notanana am-ponja vonjimaika

  3. 26 Mey 2021

    Tsy navelan’ny fitsarana hamangy azy tany ny vadiny na dia efa imbetsaka aza no nangataka an’izany

  4. 20 Aogositra 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka izy dia nanomboka notsaraina

Ilay voampanga

Hoatran’ny ataon’i Konstantin manampy ny fianakaviany hatanjaka ara-panahy, dia matoky koa isika hoe ‘hanome izay ilain’ny olona tokony ho adidiny’ i Jehovah.​—1 Timoty 5:8.

a Mbola any am-ponja ny Rahalahy Sannikov, dia tsy nisy fomba niresahana taminy.