Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Ranabavy Lyubov Galitsyna, Rahalahy Garegin Khachaturyan sy Gevorg Yeritsyan

8 APRILY 2024 | VAOVAO FARANY: 1 JOLAY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOASAZY HIGADRA | Nahatsapa hoe Nampian’i Jehovah Ry Zareo Tany Am-ponja

VAOVAO FARANY: VOASAZY HIGADRA | Nahatsapa hoe Nampian’i Jehovah Ry Zareo Tany Am-ponja

Nomelohin’ny Fitsaran’i Novocherkassk any amin’ny Faritr’i Rostov ny Ranabavy Lyubov Galitsyna sy ny Rahalahy Garegin Khachaturyan sy Gevorg Yeritsyan tamin’ny 26 Jona 2024. Voasazy higadra roa taona sy telo volana i Lyubov. Noraisina hoe efa voaefa io saziny io noho ny fotoana efa nitanana azy am-ponja vonjimaika. Tsy migadra aloha izy amin’izao. Voasazy higadra enin-taona sy tapany kosa i Garegin, dia i Gevorg enin-taona sy roa volana. Hotazonina any am-ponja ihany ireo rahalahy ireo.

Ireo voampanga

Resy lahatra isika hoe na dia miezaka manisy ratsy antsika aza ny mpanohitra, dia hitahy ny mpanompony tsy mivadika foana i Jehovah, sady ‘havadiny ho zavatra tsara’ ny ratsy ataon’ny olona amin-dry zareo.​—Genesisy 50:20.

Zava-nitranga

  1. 11 Aogositra 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Lyubov sy Garegin ary Gevorg. Nosavana ny tranon-dry zareo. Notanana am-ponja vonjimaika i Gevorg

  2. 12 Aogositra 2022

    Nafindra fonja i Garegin sy Gevorg, dia any no miandry ny fitsarana azy

  3. 16 Aogositra 2022

    Notanana am-ponja vonjimaika i Lyubov

  4. 17 Aogositra 2022

    Nafindra fonja i Lyubov, dia any no miandry ny fitsarana azy

  5. 20 Septambra 2023

    Nanomboka ny fitsarana

  6. 25 Desambra 2023

    Nafahana avy tany am-ponja i Lyubov dia lasa nambenana tao an-tranony

a b Mbola notanana am-ponja ny Rahalahy Khachaturyan sy Yeritsyan tamin’ity lahatsoratra ity nomanina dia tsy nisy resadresaka natao tamin-dry zareo.