Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Boris Andreyev sy Rahalahy Anatoliy Li ary Ranabavy Nataliya Sharapova

6 MEY 2024 | VAOVAO FARANY: 11 JOLAY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOASAZY HIGADRA | ‘Vitan’i Jehovah ny Manampy Antsika Hiaritra’

VAOVAO FARANY: VOASAZY HIGADRA | ‘Vitan’i Jehovah ny Manampy Antsika Hiaritra’

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Khorolskiy any amin’ny Faritanin’i Primorié ny Rahalahy Boris Andreyev sy ny Rahalahy Anatoliy Li ary ny Ranabavy Nataliya Sharapova, tamin’ny 10 Jolay 2024. Voasazy higadra enin-taona i Boris, enin-taona sy tapany i Anatoliy, ary telo taona i Nataliya. Efa notanana am-ponja vonjimaika izy ireo ary mbola hotazonina any.

Ireo voampanga

Matoky isika hoe hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah amin’ny andro fahoriantsika, ary hanome antsika hery hiaretana, hoatran’ny nataony tamin’i Anatoliy sy Boris ary Nataliya.​—Salamo 20:1.

Zava-nitranga

  1. 28 Jolay 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  2. 6 Oktobra 2022

    Trano 12 tao amin’ny tanànan’i Yaroslavsky no nosavana. Notazonin’ny polisy i Boris sy Nataliya

  3. 7 Oktobra 2022

    Notanana am-ponja vonjimaika i Boris sy Nataliya

  4. 12 Oktobra 2022

    Notazonin’ny polisy i Anatoliy

  5. 13 Oktobra 2022

    Notanana am-ponja vonjimaika i Anatoliy

  6. 5 Oktobra 2023

    Nanomboka ny fitsarana

a b c Mbola notanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Andreyev sy ny Rahalahy Li ary ny Ranabavy Sharapova tamin’ny fotoana nanomanana an’ity lahatsoratra ity, ka tsy nisy ny resadresaka nifanaovana taminy.