Hijery ny anatiny

Ranabavy Anna Safronova

28 JANOARY 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY | Voaheloka Higadra Enin-taona i Anna Safronova

Izany no Sazy Henjana Indrindra sy Lava Indrindra Nampiharina Tamin’ny Anabavy Taorian’ilay Fandrarana Tamin’ny 2017

VAOVAO FARANY | Voaheloka Higadra Enin-taona i Anna Safronova

Nolavin’ny fitsaram-paritr’i Astrakhan ny fampakarana fitsarana nataon’ny Ranabavy Anna Safronova, tamin’ny 14 Aprily 2022. Mbola migadra àry izy.

Nomelohin’ny fitsaran’i Trusovskiy, any amin’ny faritr’i Astrakhan, ny Ranabavy Anna Safronova, tamin’ny 25 Janoary 2022. Voasazy higadra enin-taona io anabavy 56 taona io, ary tonga dia nampidirina am-ponja avy hatrany.

Zava-nitranga

  1. 28 Mey 2021

    Nanomboka nampangaina izy

  2. 2 Jona 2021

    Nataon’ny polisy savahao ny trano ipetrahan’izy sy ny mamany, izay efa 81 taona. Notanana am-ponja vonjimaika i Anna avy eo

  3. 3 Jona 2021

    Nafahana izy ary nambenana tao an-tranony. Tsy nahazo nivoaka ny trano izy, afa-tsy adiny iray isan’andro ihany. Afaka mandeha mitsangantsangana kely izy isaky ny amin’ny 9:00 ka hatramin’ny 10:00 maraina

  4. 10 Jona 2021

    Nampidirina ao anatin’ilay lisitry ny olona “mampidi-doza” izy, ary tsy afaka maka ny volany any amin’ny banky

  5. 24 Janoary 2022

    Izao no famaranan-teniny teo anatrehan’ny fitsarana: “Nampianatra ny mpanara-dia azy i Jesosy ao amin’ny Matio 5:44 hoe ‘tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.’ Inona no antony? Satria efa betsaka ny hoe mpanenjika izy taloha nefa lasa mpanompon’i Jehovah.

    “Ny tena faniriako dia hoe mba hisy anankiray hiova, fara fahakeliny, amin’ny polisin’ny FSB, mpanao famotorana, mpiambina, mpahay lalàna, ary izay olona rehetra maheno ahy sy mahita ny fitondran-tenako. Dia mba hiova ny fahitanareo ny Vavolombelon’i Jehovah ... Manantena aho hoe hisy iray, fara fahakeliny, lasa te hamaky Baiboly, hahita ny valin’ny fanontaniany, te hahafantatra an’Andriamanitra, na ho lasa mpanompony mihitsy aza.”

  6. 25 Janoary 2022

    Voaheloka higadra enin-taona izy

Ilay voampanga

Mampahery antsika ny tsy fivadihan’ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia sy Crimée. Matoky isika fa hanome hery antsika foana ilay Raintsika any an-danitra, amin’izay isika hahavita hiaritra.​—2 Tesalonianina 1:4.

a Talohan’ny nigadrany izy no nohadinadinina.