Hijery ny anatiny

Valandresaka ho an’ny mpanao gazety natao tany Moscou, tamin’ny 1 Aprily 2021, mba hanamarihana ny faha-70 taona nanaovana sesitany ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny lamasinina tany Siberia.

5 APRILY 2021
ROSIA

Valandresaka ho An’ny Mpanao Gazety Tany Moscou ho Fanamarihana ny Faha-70 Taonan’ilay Hetsika any Avaratra

Vavolombelon’i Jehovah efa ho 10 000 no natao sesitany tany Siberia

Valandresaka ho An’ny Mpanao Gazety Tany Moscou ho Fanamarihana ny Faha-70 Taonan’ilay Hetsika any Avaratra

Nisy valandresaka ho an’ny mpanao gazety natao tany Moscou, tamin’ny 1 Aprily 2021, mba hanamarihana ny faha-70 taona nanaovana sesitany ny Vavolombelon’i Jehovah tany Siberia. Hetsika any Avaratra no niantsoana an’ilay fanaovana sesitany. Tamin’ny 1951 izy io no nitranga ary Vavolombelon’i Jehovah efa ho 10 000, avy any amin’ny tany enina anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha, no nalefa sesitany tamin’ny lamasinina tany Siberia. Nandritra an’ilay valandresaka, dia olona enina no niresaka sy namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety. Nisy tamin-dry zareo manam-pahaizana momba ny zon’olombelona, dia nisy koa manam-pahaizana hafa. Tsy hoe nitantara momba an’ilay Hetsika any Avaratra fotsiny izy ireo, fa nampifandray an’ilay izy amin’ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia amin’izao fotoana izao koa. Nalefa mivantana tamin’ny Internet ilay fandaharana.

Niresaka elaela momba ny fampijaliana natao tamin’ireo olona nalefa sesitany i Yaroslav Sivulsky. Solontenan’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Eoropa izy sady anisan’ireo natao sesitany tany Siberia ny fianakaviany. Hoy izy: “Rehefa nikaroka tany amin’ny arsiva izahay, dia nahita fa nisy 9 793 ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fianakaviany natao sesitany. Tafiditra ao anatin’io isa io ny maty sy ny teraka teny an-dalana.”

I Sergey Ivanenko, manam-pahaizana momba ny fivavahana any Rosia, indray nanazava hoe nanaratsy be ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondrana sovietika, dia izany no anisan’ny nahatonga an’ilay fanaovana sesitany, ary mbola izany koa no mahatonga ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia amin’izao. Nohamafisiny koa fa tena mahavita miaritra ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Very maina fotsiny ny ezaka nataon’ny fanjakana nanomboka tamin’ny 2017 mba hanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Federasionan’i Rosia. Rehefa jerena mantsy ny zava-nisy nandritra an’ilay Hetsika any Avaratra sy ny zava-mitranga amin’izao, dia mbola tsy nisy nahasakana ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hiaro ny finoany sy hanompo an’Andriamanitra mihitsy. Ka tsy aleon’ny fitondrana rosianina ve foanana ny fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny asa ataon’izy ireo?”

Manam-pahaizana momba ny fivavahana any Kazakhstan i Artur Artemyev. Izy no nanoratra an’ilay boky hoe Jehovah’s Witnesses in Kazakhstan: A Social-Historical and Religious Analysis (nohavaozina tamin’ny 2020). Nilaza izy fa na dia ny fanenjehana mafy indrindra nataon’ny fitondrana sovietika aza tsy nahafongotra ny Vavolombelon’i Jehovah sady tsy nampihena ny zotom-pon’izy ireo. Vao mainka aza nitombo ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny taniny, nandritra ny fitondrana sovietika. Hoy koa i Valery Borschev, manam-pahaizana momba ny zon’olombelona ao amin’ny Fikambanana Helsinki any Moscou: “Tokony ho fantatry ny mpitondra fanjakana hoe vao mainka matanjaka be ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa enjehina.”

Anisan’ny Filan-kevitry ny Manam-pahaizana ao amin’ny Vaomiera Miaro ny Zon’olombelona any Rosia i Valentin Gefter. Izao ny foto-kevitra novelabelariny: “Fa Maninona no Misy Gadraina Noho ny Feon’ny Fieritreretany any Rosia?” Tsy antony ara-politika, raha ny marina, no anagadrana an’ireo Vavolombelona any Rosia fa noho ny feon’ny fieritreretany. Hoy Valentin Gefter: “Tsy fahavalon’ny fitondram-panjakana mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nanazava izy avy eo hoe tsy miditra amin’ny politika fotsiny ny Vavolombelona satria mifanohitra amin’ny zavatra inoany izany. Tsy misy antony tokony hanagadrana azy ireo àry sady tena tsy rariny ilay izy.

I Aleksandr Verkhovsky no nandray fitenenana farany. Anisan’ny Filan-kevi-panjakana Momba ny Zon’olombelona izy sady talen’ny Foibe SOVA. Ny SOVA no manara-maso ny raharaha momba an’izay olona nampangaina tsy ara-drariny hoe nandika ny lalàna iadiana amin’ny fikambanana mahery fihetsika, anisan’izany ny raharaha iampangana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanome fanazavana momba ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia Atoa Verkhovsky. Hoy izy: “Mbola hisy fiafarany ihany ve ny fanenjehana atao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Rosia? Tena zava-dehibe izany fanontaniana izany nefa tsy fantatsika ny valiny.” Resy lahatra Atoa Verkhovsky fa na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy hatsahatry ny fanjakana any Rosia ihany ny fanenjehany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandroso soso-kevitra maromaro ho an’ny mpanao lalàna koa izy mba hanatsarana an’ilay lalàna iadiana amin’ny fikambanana mahery fihetsika. Amin’izay mantsy mba hoe izay tena fikambanana mahery fihetsika no enjehina. Amin’izay koa mba tsy voahitsakitsaka ny zon’ny mpivavaka tsy manan-tsiny, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nahazo nametraka fanontaniana nifandray tamin’ny zavatra nolazain’ireo nandray anjara tamin’ilay valandresaka ny mpanao gazety.

Tamin’iny andro iny ihany, dia nisy valandresaka ho an’ny mpanao gazety natao koa tany Chisinau, any Moldavia. Ny Ivon-toerana Momba ny Tantaran’ny Akademia Momba ny Siansa any Moldavia sy ny Oniversiten’i Alecu Russo any Balti ary ny Oniversiten’i Bogdan Petriceicu Hasdeu any Cahul no nandamina an’ilay izy. Mbola hisy valandresaka ho an’ny mpanao gazety hatao koa any Ukraine, amin’ny 9 Aprily.