Hijery ny anatiny

Ankavia: Ny anabavy Darya sy Venera Dulova. Ankavanana: Ny Rahalahy Aleksandr Prianikov sy Anastasiya vadiny. Afovoany: Ny Anabavy Svetlana Zalyaeva

20 JANOARY 2022
ROSIA

Vao Mainka Matanjaka ny Finoan’ny Mpiara-manompo any Karpinsk Satria Miantehitra Amin’i Jehovah Izy Ireo

Vao Mainka Matanjaka ny Finoan’ny Mpiara-manompo any Karpinsk Satria Miantehitra Amin’i Jehovah Izy Ireo

Tsy ho ela ny Fitsarana any Karpinsk, any amin’ny Faritr’i Sverdlovsk, dia hamoaka ny didim-pitsarany momba ny Anabavy Darya Dulova sy Venera Dulova, ny Rahalahy Aleksandr Prianikov sy Anastasiya Prianikova vadiny, ary ny Anabavy Svetlana Zalyaeva. Mbola tsy nolazain’ny mpampanoa lalàna hoe inona ny sazy omena an-dry zareo

Zava-nitranga

  1. 27 Janoary 2020

    Nomelohina i Aleksandr sy Darya ary Venera, tamin’ny fitsarana voalohany

  2. Febroary 2020

    Nampangaina fanindroany hoe mpanao heloka bevava i Aleksandr sy Darya ary Venera

  3. 30 Martsa 2020

    Nataon’ny manam-pahefana savahao ny tranon-dry zareo dia nalain-dry zareo ny telefaoniny sy ny tablette-ny

  4. 19 Mey 2020

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava koa i Anastasiya sy Svetlana. Samy tsy navela hiala tao amin’ilay faritra izy roa

  5. 29 Aprily 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy

Ilay voampanga

Mbola mitohy ny fanenjehana ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Manatanjaka ny finoantsika anefa ny mahita hoe be fitiavana i Jehovah dia mikarakara sy manohana azy ireo. Lasa mahazo “dera sy voninahitra ary haja” ny anaran’i Jehovah, noho ny finoan’izy ireo vita sedra.​—1 Petera 1:7.