Hijery ny anatiny

Anabavy Olga Ganusha

23 JONA 2021
ROSIA

Vavaka Voafaritra Tsara no Manampy ny Anabavy Olga Ganusha Hiaritra Fanenjehana

Vavaka Voafaritra Tsara no Manampy ny Anabavy Olga Ganusha Hiaritra Fanenjehana

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana Nataon’ny Anabavy Olga Ganusha

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Rostov, tamin’ny 30 Septambra 2021, ny fampakarana fitsarana nataon’ny Anabavy Ganusha. Mbola manan-kery ny sazy nomena azy tamin’ny voalohany. Tsy voatery migadra izy amin’izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Voroshilovskiy, any Rostov-on-Don, ny Anabavy Olga Ganusha tamin’ny 13 Jolay 2021, ka nomena sazy mihantona roa taona.

Ilay voampanga

Olga Ganusha

  • Teraka: 1961 (tany Rostov-on-Don, Faritr’i Rostov)

  • Mombamomba azy: Reny tokan-tena manan-janaka lahitokana. Efa misotro ronono koa izy. Tia manao asa tanana, sy mihaino mozika klasika, ary mamaky boky

  • Lasa te hianatra Baiboly izy rehefa nahalala hoe mbola hiaina ao amin’ny paradisa miaraka amin’ny fianakaviana sy ny namana hatsangana amin’ny maty. Natao batisa dia lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1995

Mombamomba an’ilay raharaha

Nametraka fitaovana fandraisana feo sy video an-tsokosoko tao an-tranon’ny Anabavy Olga Ganusha ny manam-pahefana rosianina, tamin’ny voalohan’ny taona 2019, mba hanarahana maso azy. Io no porofo nentin-dry zareo hanaovana bemidina tany an-tranony, tamin’ny Jona 2019. Nojeren’ny manam-pahefana koa ny kahie fandraisany naoty manokana sy ny taratasiny, ary izay bokikely tao an-tranony. Nomelohina tamin’ny fomba ofisialy i Olga tamin’ny 17 Aogositra 2020, ary nanomboka tamin’ny 4 Martsa 2021 ny fitsarana azy. Anisan’ny “heloka bevava” nataony ny nampiantrano sy nandray anjara tamin’ny fivoriana ara-pivavahana, ary niresaka tamin’ny olon-kafa ny zavatra inoany. Iray ihany ny raharaha mahakasika ny Anabavy Lyudmila Ponomarenko sy Galina Parkova tamin’ny voalohany, fa nosarahina ny fitsarana an-dry zareo amin’izao.

Nanao vavaka voafaritra tsara sady tamin’ny fo manontolo i Olga nandritra an’ilay roa taona latsaka nanaovana famotopotorana sy nitsarana azy. Hoy i Olga: “Mivavaka foana, mihoatra noho ny hatramin’izay, aho isan’andro mba hohamasinina ny anaran’Andriamanitra. Mivavaka aho mba ho afaka hitory sy hanana herim-po ny ranadahy sy rahavavy voatana am-ponja vonjimaika sy any am-ponja ary izay ambenana any an-trano. Mivavaka koa aho mba hanana finoana matanjaka be an’i Jehovah ry zareo, sady hatoky tanteraka hoe tsy mandao antsika amin’ny sarotra mihitsy izy.” Hoy koa izy rehefa mieritreritra ny mahazo azy: “Mitalaho amin’i Jehovah aho mba hampiany tsy hatahotra, dia hiantehitra aminy. Mivavaka koa aho mba hataony toy ny andry vy sy manda varahina, hoatran’ny nataony tamin’i Jeremia. Te hahazaka an’izay fitsapana rehetra hoatran’ny afo aho, hoatran’ny nataon’ireo Hebreo telo lahy. Mba te haneho fanajana hoatran’ny nataon’i Kristy teo anatrehan’ny fahavalony koa izaho.”

Matoky isika hoe hotohanan’i Jehovah amin’ny ‘tanany manao ny rariny’ foana i Olga sy ny olon-kafa enjehina noho ny finoany.​—Isaia 41:10.