Hijery ny anatiny

Ambony, avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Yevgeniy Godunov sy Gurami Labadze

Ambany, avy eo ankavia miankavanana: Ranabavy Yuliya Popkova sy Anzhela Putivskaya

21 NOVAMBRA 2023
ROSIA

Vavolombelona Efatra Nomena Sazy Mihantona Tany Toula, any Rosia

Vavolombelona Efatra Nomena Sazy Mihantona Tany Toula, any Rosia

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Proletarskiy, any Toula ny Rahalahy Yevgeniy Godunov sy Gurami Labadze ary ny Ranabavy Yuliya Popkova sy Anzhela Putivskaya tamin’ny 20 Novambra 2023. Samy nahazo sazy mihantona enin-taona sy enim-bolana avy i Yevgeniy sy Gurami. I Yuliya sy Anzhela indray samy nomena sazy mihantona roa taona sy enim-bolana avy. Mbola tsy voatery migadra aloha ry zareo izao.

Ilay voampanga

Ilaintsika ny tantaran’ireo rahalahy sy anabavy ireo satria manampy antsika hatoky hoe hahazo fampiononana sy fanantenana koa isika, rehefa miantehitra amin’i Jehovah sy manahaka an’ireo olona nanam-pinoana ao amin’ny Soratra Masina.​—Romanina 15:4.

Zava-nitranga

  1. 25 Martsa 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava ry zareo.

  2. 13 Aprily 2021

    Nosavana ny tranon-dry zareo. Nosamborina i Anzhela sy Yuliya

  3. 14 Aprily 2021

    Notanana am-ponja vonjimaika i Anzhela sy Yuliya. Nosamborina i Yevgeniy, dia nampangaina hoe mpanao heloka bevava. Nambenana tao an-trano i Gurami

  4. 16 Aprily 2021

    Notanana am-ponja vonjimaika i Yevgeniy

  5. 20 Mey 2021

    Navoaka i Anzhela sy Yevgeniy ary Yuliya, dia nambenana tao an-trano

  6. 22 Jolay 2021

    Tsy nambenana tao an-trano intsony i Anzhela sy Yevgeniy ary Yuliya, fa tsy nahazo nanao dia lavitra

  7. 23 Jolay 2021

    Tsy nambenana tao an-trano intsony i Gurami, fa tsy nahazo nanao dia lavitra

  8. 11 Mey 2023

    Nanomboka ny fitsarana

  9. 20 Novambra 2023

    Voaheloka dia nomena sazy mihantona