Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Boris Andreyev sy Rahalahy Anatoliy Li ary Ranabavy Nataliya Sharapova

6 MEY 2024
ROSIA

‘Vitan’i Jehovah ny Manampy Antsika Hiaritra’

‘Vitan’i Jehovah ny Manampy Antsika Hiaritra’

Tsy ho ela ny Fitsaram-paritr’i Khorolskiy any amin’ny Faritanin’i Primorié dia hamoaka didy momba ny Rahalahy Boris Andreyev sy ny Rahalahy Anatoliy Li ary ny Ranabavy Nataliya Sharapova. Mbola tsy nilaza ny sazy tokony hampiharina amin’izy ireo ny mpampanoa lalàna hatreto.

Ireo voampanga

Matoky isika hoe hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah amin’ny andro fahoriantsika, ary hanome antsika hery hiaretana, hoatran’ny nataony tamin’i Anatoliy sy Boris ary Nataliya.​—Salamo 20:1.

Zava-nitranga

  1. 28 Jolay 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  2. 6 Oktobra 2022

    Trano 12 tao amin’ny tanànan’i Yaroslavsky no nosavana. Notazonin’ny polisy i Boris sy Nataliya

  3. 7 Oktobra 2022

    Notanana am-ponja vonjimaika i Boris sy Nataliya

  4. 12 Oktobra 2022

    Notazonin’ny polisy i Anatoliy

  5. 13 Oktobra 2022

    Notanana am-ponja vonjimaika i Anatoliy

  6. 5 Oktobra 2023

    Nanomboka ny fitsarana

a b c Mbola notanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Andreyev sy ny Rahalahy Li ary ny Ranabavy Sharapova tamin’ny fotoana nanomanana an’ity lahatsoratra ity, ka tsy nisy ny resadresaka nifanaovana taminy.