Hijery ny anatiny

Ranabavy Sona Olopova

30 JANOARY 2024
ROSIA

Voaheloka Hanao Asa An-terivozona Roa Taona any Am-ponja ny Ranabavy Sona Olopova

Voaheloka Hanao Asa An-terivozona Roa Taona any Am-ponja ny Ranabavy Sona Olopova

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Tsentralniy any Tolyatti, ao amin’ny Faritr’i Samara, hanao asa an-terivozona roa taona any am-ponja ny Ranabavy Sona Olopova, tamin’ny 25 Janoary 2024. Voatery mijanona ao amin’ilay fonja izy sady manao asa fanasoavam-bahoaka.

Ilay voampanga

Matoky isika hoe haneho fitiavana an’i Sona sy ireo mpanompony matoky azy i Jehovah, dia hanampy sy hitari-dalana azy ireo.​—Salamo 86:2

Zava-nitranga

  1. 15 Mey 2023

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  2. 16 Mey 2023

    Nosavana ny tranony. Natao famotorana izy, dia noferana ny toerana azony naleha

  3. 6 Septambra 2023

    Nanomboka ny fitsarana azy

  4. 25 Janoary 2024

    Voaheloka hanao asa an-terivozona roa taona any am-ponja

a Mbola tsy nivoaka ilay fanamelohana an’ny Ranabavy Olopova, tamin’ity resadresaka ity natao