Hijery ny anatiny

Rahalahy Sergey Gromov sy Yelena vadiny

15 SEPTAMBRA 2023
ROSIA

Voaheloka Higadra Enin-taona sy Iray Volana any Rosia ny Rahalahy Sergey Gromov

Voaheloka Higadra Enin-taona sy Iray Volana any Rosia ny Rahalahy Sergey Gromov

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Moskovski any Kazan higadra enin-taona sy iray volana ny Rahalahy Sergey Gromov, tamin’ny 14 Septambra 2023. Nanomboka tamin’ny 15 Martsa 2022 izy no efa tany am-ponja, dia mbola hotazonina any izy.

Ilay voampanga

Tsy mivadika amin’i Jehovah i Sergey sy Yelena sady miantehitra amin’i Jehovah foana, dia tena faly isika amin’ny modely omen-dry zareo. Rehefa mahita ny fitahiana omen’i Jehovah an-dry zareo isika, dia resy lahatra tanteraka hoe “tsy hoe fohy loatra ny tanan’i Jehovah ka tsy mahavonjy, na hoe donto loatra ny sofiny ka tsy maheno.”​—Isaia 59:1.

Zava-nitranga

  1. 15 Martsa 2022

    Nisokatra ny raharaha iampangana azy ho nanao heloka bevava. Nentina hatao famotorana dia notanana am-ponja vonjimaika

  2. 16 Martsa 2022

    Nosavana ny tranony

  3. 17 Martsa 2022

    Nafindra tany amin’ny fonja hafa mandra-piandry ny fitsarana azy

  4. 30 Martsa 2023

    Nanomboka ny fitsarana

  5. 14 Septambra 2023

    Voaheloka higadra enin-taona sy iray volana

a Tany am-ponja, teo am-piandrasana ny fitsarana azy, ny Rahalahy Gromov tamin’ny nomanina ity lahatsoratra ity, dia tsy mbola azo natao ny niresadresaka taminy.