Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Aleksandr Ivshin

12 FEBROARY 2021
ROSIA

Voaheloka Higadra Fito Taona sy Tapany ny Rahalahy Aleksandr Ivshin Izay 63 Taona Satria Nandamina Fivoriana sy Nihira ny Hiran’ilay Fanjakana

Voaheloka Higadra Fito Taona sy Tapany ny Rahalahy Aleksandr Ivshin Izay 63 Taona Satria Nandamina Fivoriana sy Nihira ny Hiran’ilay Fanjakana

Didim-pitsarana

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Abinskiy, any Krasnodar, ny Rahalahy Aleksandr Ivshin tamin’ny 10 Febroary 2021. Voaheloka higadra fito taona sy tapany izy. Io no sazy lava indrindra sy mafy indrindra nomena ny rahalahintsika hatramin’izay nandraran’ny Fitsarana Tampony ny asantsika tamin’ny 2017 izay.

Ilay voampanga

Aleksandr Ivshin

  • Teraka: 1957 (tany Katav-Ivanovsk)

  • Mombamomba azy: Niasa tamina orinasa mpikirakira vy sy mpanapaka hazo izy talohan’ny nisotroany ronono, ary injeniera amin’ny resaka aro loza. Nanambady an’i Galina, tamin’ny 1974. Manan-janaka vavy roa sy zafikely valo

    Nisy fotoana izy narary mafy dia lasa nieritreritra hoe inona àry no dikan’ny fiainana. Filazantsara telo no voavakiny tao anatin’ny indray alina, ary nianatra Baiboly izy taorianan’izay. Natao batisa tamin’ny 1995

Mombamomba an’ilay raharaha

Efa hatrany am-piandohan’ny taona 2015 no nenjehina ny Vavolombelon’i Jehovah tany Abinsk. Nolazaina fa fikambanana “mampidi-doza” ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana ary norarana. Dimy taona teo ho eo tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny 23 Aprily 2020, dia nampangaina ho mpanao heloka bevava ny Rahalahy Aleksandr Ivshin. Anisan’ny “heloka” vitany ny hoe nandamina fotoam-pivavahana tamin’ny vidéoconférence sy nihira ny hiran’ilay Fanjakana.

Niakatra be ny tosidran’izy mivady rehefa nisava ny tranony ny polisy. Nalain’ny polisy ny fiaran’i Aleksandr, volana maromaro taorian’ilay fisavana. Mbola falifaly sy tony foana anefa i Aleksandr na teo aza izany. Izao no namaranany ny teniny tamin’izy teo anatrehan’ny fitsarana: “Tsy gaga aho raha voaheloka amin’ity raharaha ity, satria efa nolazain’i Jesosy mialoha ao amin’ny Matio 10:18 izany. Hoy izy: ‘Hoentina eo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo anatrehan’izy ireo sy ireo firenena.’ ... Tsy mahakivy an’ahy akory io tenin’i Jesosy io. Vao mainka aza ilay izy mahafaly ahy, satria lasa afaka miresaka eto anatrehan’ny fitsarana mendri-kaja momba ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra an’izay olona rehetra mahatsapa hoe mila azy aho.”

Anisan’ny mandray anjara amin’ilay fitoriana be atao eran-tany i Aleksandr sy Galina any Rosia, amin’ny zavatra ataon-dry zareo. Manantena isika hoe hotahin’i Jehovah izy ireo satria matoky an’i Jehovah.​—Jeremia 17:7.