Hijery ny anatiny

Rahalahy Nikolay Voishchev

27 SEPTAMBRA 2023
ROSIA

Voaheloka Higadra Telo Taona ny Rahalahy Nikolay Voishchev

Voaheloka Higadra Telo Taona ny Rahalahy Nikolay Voishchev

Nomelohin’ny Fitsaran’i Maykop, any amin’ny Repoblikan’i Adygeya, higadra telo taona ny Rahalahy Nikolay Voishchev, tamin’ny 14 Septambra 2023. Efa nogadraina izy nanomboka tamin’ny 20 Oktobra 2022, dia mbola any am-ponja hatramin’izao.

Ilay voampanga

Malahelo isika hoe migadra i Nikolay. Matoky anefa isika hoe ho eo foana i Jehovah hanatanjaka sy hampahery azy sy ireo rahalahy sy anabavy hafa mijaly.​—Salamo 119:76.

Zava-nitranga

  1. 19 Oktobra 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  2. 20 Oktobra 2022

    Nosavana ny tranony. Natao famotorana dia notanana am-ponja vonjimaika

  3. 21 Oktobra 2022

    Nafindra fonja hafa dia niandry fitsarana

  4. 11 Janoary 2023

    Niangaviana ny mpitsara mba hoe any an-trano i Nikolay no tazonina sy harahi-maso noho izy tsy salama. Nolavin’ny mpitsara ilay fangatahana, ary nampitomboina ny fotoana hitazonana azy any am-ponja

  5. 25 Janoary 2023

    Nanomboka ny fitsarana

  6. 14 Septambra 2023

    Voaheloka higadra telo taona

a Notanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Voishchev talohan’ny nitsarana azy, dia tsy mbola azonay natao ny nandamina fanadinadinana manokana mba hiresadresahana taminy.