27 JONA 2023
ROSIA
Voaheloka ny Rahalahy Skvortsov sy Tibiy
Nomelohin’ny Fitsaran’ny Tanànan’i Taganrog any amin’ny Faritr’i Rostov ny Rahalahy Aleksandr Skvortsov sy Valeriy Tibiy. Voaheloka higadra fito taona i Aleksandr. Efa hatramin’ny 7 Desambra 2021 izy no nigadra, ary mbola hijanona any. I Valeriy indray nomena sazy mihantona enin-taona. Nigadra izy nanomboka tamin’ny 18 Mey 2022, fa nafahana avy any aloha.
Ireo voampanga
Misaotra an’i Jehovah isika satria mikarakara antsika amim-pitiavana izy sady mitari-dalana antsika, dia lasa mahavita miaritra isika na inona na inona fitsapana mahazo antsika.—Salamo 5:12.
Zava-nitranga
20 Martsa 2021
Nosavana ny tranon-dry Skvortsov
7 Desambra 2021
Nosavana fanindroany ny tranon-dry Skvortsov, niaraka tamin’ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah 29 hafa any Taganrog. Nampangaina hoe nanao heloka bevava izy dia notanana am-ponja vonjimaika
8 Desambra 2021
Notanana am-ponja i Aleksandr mandra-piandry ny fitsarana azy
29 Martsa 2022
Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Valeriy
31 Martsa 2022
Natambatry ny mpanao famotorana ny raharaha mikasika an’i Aleksandr sy Valeriy
18 Mey 2022
Nosamborina i Valeriy dia notanana am-ponja vonjimaika
26 Mey 2022
Notanana am-ponja i Valeriy mandra-piandry ny fitsarana azy
6 Desambra 2022
Nanomboka ny fitsarana
20 Jona 2023
Voaheloka higadra fito taona i Aleksandr. I Valeriy indray nomena sazy mihantona enin-taona