Hijery ny anatiny

Ny Anabavy Yelena Savelyeva

28 OKTOBRA 2021
ROSIA

Voampanga Ilay Mpampianatra 80 Taona Efa Misotro Ronono Satria Niresaka Momba ny Baiboly

Voampanga Ilay Mpampianatra 80 Taona Efa Misotro Ronono Satria Niresaka Momba ny Baiboly

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fangatahana Hampiakatra Fitsarana Nataon’ny Anabavy Yelena Savelyeva

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Tomsk ny fangatahana hampakatra fitsarana nataon’ny Anabavy Yelena Savelyeva, tamin’ny 14 Febroary 2022. Tsy migadra anefa izy izao.

Zava-nitranga

  1. 17 Novambra 2021

    Nomelohin’ny Fitsaran’i Severskiy, any amin’ny Faritr’i Tomsk, i Yelena. Nomena sazy mihantona efa-taona izy. Efa nasaina nandoa onitra 500 000 roubles (30 tapitrisa mahery) koa anefa io anabavy 80 taona io talohan’izay

  2. 22 Jolay 2021

    Nihaona voalohany tamin’ny fitsarana izy

  3. 25 Martsa 2021

    Nampangain’ny mpampanoa lalàna rosianina i Yelena hoe mpanao heloka bevava. Voampanga izy satria, hono, nandresy lahatra sy nandray ary nitaona olona handray anjara tamin’ny asa ataon’ny fikambanana “mampidi-doza.” Mifanaraka amin’ny Andininy faha-282.2 amin’ny Fehezan-dalàn’ny Federasionan’i Rosia Momba ny Heloka Bevava ilay fiampangana.

    Vehivavy roa niresahany momba ny Baiboly no nijoro vavolombelona niampanga azy. Mpiasan’ny FSB ilay iray ary ny iray indray mpiasan’ny Mpiambina ny Firenena Rosianina. Mody niseho hoe liana tamin’ny Baiboly izy ireo nefa noraisiny feo an-tsokosoko daholo ny resadresaka nifanaovan’izy sy Yelena. Nalefany tany amin’ny manam-pahefana avy eo ny mombamomba an’i Yelena sy ny mpiara-manompo taminy maromaro

Ilay voampanga

Mampahery antsika ny fahatapahan-kevitr’i Yelena hoe tsy hivadika mihitsy na dia henjehina aza. Matoky isika hoe hitan’i Jehovah daholo izay ‘miara-miezaka mba hino ny vaovao tsara foana, sady tsy manaiky hampitahorin’ireo mpanohitra mihitsy.’​—Filipianina 1:27, 28.