Hijery ny anatiny

Rahalahy Anton Virich

7 MEY 2024
ROSIA

Voasazy Higadra Enin-taona sy Roa Volana ny Rahalahy Anton Virich

Voasazy Higadra Enin-taona sy Roa Volana ny Rahalahy Anton Virich

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Pojarski any amin’ny Faritanin’i Primorié ny Rahalahy Anton Virich, tamin’ny 25 Aprily 2024. Voasazy higadra enin-taona sy roa volana izy. Efa hatramin’ny 11 Jolay 2023 izy no notanana am-ponja, ary mbola hitohy izany.

Ilay voampanga

Mampahery antsika ny mahalala hoe ankasitrahan’i Jehovah sy tahiny isika rehefa miaritra fitsapana mba ho porofon’ny fitiavantsika azy.​—Jakoba 1:12.

Zava-nitranga

  1. 11 Febroary 2021

    Nisy raharaha momba azy nosokafana teny amin’ny fitsarana

  2. 9 Novambra 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Anton sady tsy navela hanao dia lavitra, nefa tsy nampahafantarina azy akory izany

  3. 11 Jolay 2023

    Nosakanan’ny polisy tao amin’ny tanànan’i Oujour i Anton tamin’izy nitondra fiara, dia notenenin-dry zareo hoe olona atao ombay mitady izy. Nosamborina izy avy eo ary notanana vonjimaika tany amin’ny toerana iray

  4. 15 Jolay 2023

    Nentina raoplanina nankany amin’ny fonja iray any Loutchegorsk, any amin’ny 4 700 kilaometatra mahery avy teo amin’ilay nisy azy

  5. 7 Novambra 2023

    Nanomboka notsaraina

  6. 25 Aprily 2024

    Nomelohina ary voasazy higadra enin-taona sy roa volana