Hijery ny anatiny

27 SEPTAMBRA 2016
ROSIA

Ahemotra Indray ny Fitsarana Mahakasika ny Hanakatonana ny Biraon’ny Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Ahemotra Indray ny Fitsarana Mahakasika ny Hanakatonana ny Biraon’ny Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Nahemotry ny Fitsaram-paritr’i Tver, any Moscou, ny fandinihana ny raharaha mahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 23 Septambra 2016. Nangataka fampakarana fitsarana ambony kokoa mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah, talohan’izay, satria atahorana hikatona ny biraon’ny sampan’izy ireo any Rosia. Telo andro talohan’ilay fitsarana anefa dia nandefa fanoherana an’ilay fampakarana ny raharaha ny Biraon’ny Mpampanoa Lalàna, ary nampiarahiny tamin’ny fanazavana 200 pejy mahery izany. Nandefa fangatahana àry ny Vavolombelon’i Jehovah mba hisy fotoana ampy tsara handinihana an’ireo fanazavana ireo, ka nahemotry ny mpitsara ho amin’ny 12 Oktobra 2016 ilay fitsarana. Amin’izay no handinika ny fampakarana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsarana, ary hijery hoe ara-dalàna ve ny hanakatonana ny biraon’ny sampan’izy ireo.