Hijery ny anatiny

22 JONA 2018
ROSIA

Fanadinadinana: Anabavy Dimy Mitantara ny Nataon’ny Polisy Tany Oufa, any Rosia

Fanadinadinana: Anabavy Dimy Mitantara ny Nataon’ny Polisy Tany Oufa, any Rosia

Nisy mpanao famotorana sy polisy tonga vao maraina be tao an-tranon’ny Vavolombelona maromaro tany Oufa, renivohitr’i Bachkirie, any Rosia, tamin’ny 10 Aprily 2018. Nisaron-tava sy nitana basy ny sasany taminy. Nataony savahao ny tranon’ireo Vavolombelona ireo. Voasambotra tamin’izany ny Rahalahy Anatoliy Vilitkevich, ary mbola any am-ponja izy hatramin’izao, miandry ny fitsarana azy. Mitantara an’izay nanjo azy ireo ny anabavy dimy any Oufa, anisan’izany i Alyona, vadin’i Anatoliy na Tolya.