21 JOLAY 2017
ROSIA
Manohana ny Mpiara-mivavaka Aminy any Amin’ny Fitsarana Tampony Rosianina ny Delegasiona avy Amin’ny Firenena Maro
NEW YORK—Nanao fandaharana ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe rahalahy maromaro avy amin’ny kontinanta telo no asaina mankany Moscou mba hampisehoana amin’ny rahalahy sy anabavy any Rosia hoe manohana azy ireo ny mpiara-manompo maneran-tany.
Faly be ny rahalahy sy anabavy rosianina rehefa tonga ilay delegasiona. Avy lavitra ny sasany tamin’ireo mpiara-manompo rosianina nankany Moscou, ohatra hoe avy any Siberia. Nahazo toky izy ireo hoe tena mieritreritra azy ireo ilay delegasiona ary mivavaka ho azy ireo ny mpiara-manompo maneran-tany. Hoy ny rahalahy iray anisan’ilay delegasiona: “Nihetsi-po be aho rehefa nahita hoe be herim-po foana ny rahalahintsika any Rosia, na dia tsy antenaina hiova aza ilay didim-pitsarana tsy ara-drariny hoe horarana ny asan-dry zareo.”
Tsapa hoe mifankatia sy miray saina ny mpiara-manompo tao amin’ilay fitsarana, na dia nahakivy aza ny didim-pitsarana navoakan’ireo mpitsara telo. Nalahelo be izy ireo rehefa nalam-baraka teo anatrehan’ny besinimaro ny anaran’i Jehovah. Takatr’izy ireo tsara koa hoe fitsapana be no miandry ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Hita amin’ny fihetsiky ny mpiara-manompo anefa hoe feno fanajana izy ireo ary mifaneho fitiavana foana. Na izany fotsiny aza dia efa porofo mitohoka amin’ny tendan’ireo mpitsara ireo hoe tsy mitombina mihitsy ilay fiampangana ny Vavolombelon’i Jehovah ho “mampidi-doza.”
I Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nitarika an’ilay delegasiona. Nampirisika an’ireo rahalahy izy mba ho be herim-po sy hitraka foana rehefa hiatrika ny hoavy. Namihina an’ireo rahalahy anisan’ilay delegasiona ny Vavolombelona rosianina rehefa nivoaka an’ilay fitsarana. Nankasitrahan’izy ireo ny fanohanan’ireo rahalahy ireo tao anatin’iny fotoan-dehibe iny.
Nankany amin’ny ambasady 21 any Moscou koa ireo rahalahy anisan’ilay delegasiona. Tian’izy ireo horesahina amin’ireny solontenam-panjakana ireny mantsy ny voka-dratsin’izao famelezan’i Rosia ny Vavolombelon’i Jehovah izao. Misy mandoro, ohatra, ny tranon’ny Vavolombelona sasany, voaroaka amin’ny asany ny hafa, ampijalina ny ankizy any an-tsekoly, ary ampangaina ho mpanao heloka bevava ny anti-panahy maro mikarakara fivoriana kristianina, anisan’izany ny Rahalahy Dennis Christensen, izay mbola tanana am-ponja vonjimaika izao. Maro ny ambasadaoro nihetsi-po tamin’ny video roa minitra mamintina an’izany rehetra izany. Izao no fanontaniana napetraky ny maro tamin’izy ireo: “Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no atao an’izany?” Afaka nitory tamin’izy ireo ny rahalahintsika rehefa nanazava ny valiny. Tsy manao politika mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah ary nihatsara toetra ny Rosianina maro noho ny fitoriantsika. Nisy ambasadaoro iray nilaza hoe: “Tsy tian’ny Eglizy Ortodoksa hanjono ao amin’ny dobony ianareo.” Ambasady folo mahery no nandefa solontena nanatrika an’ilay fitsarana. Naharitra adiny valo ilay izy fa tsy niala mihitsy izy ireo.
Vao mainka natanjaka ny finoan’ireo rahalahy anisan’ilay delegasiona rehefa nandao an’i Rosia izy ireo. Niaiky izy ireo hoe tapa-kevitra ny tsy hivadika tokoa ny rahalahiny any. Faly koa izy ireo satria afaka nitory tamin’ny manam-pahefana.
Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:
David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000