Hijery ny anatiny

11 FEBROARY 2013
ROSIA

‘Efa Tsy Miaina Amin’ny 1937 Intsony Isika Izao’

‘Efa Tsy Miaina Amin’ny 1937 Intsony Isika Izao’

Nampandoavina lamandy 1 000 roubles (30 dolara eo ho eo) i Aleksandr Solovyov, Vavolombelon’i Jehovah mipetraka any Perm, any amin’ny faritra afovoan’i Rosia, tamin’ny 16 Aprily 2012, satria hoe nandamina ‘fotoam-pivavahana tsy nahazoan-dalana’ tao amin’ny trano iray nohofana.

Nihaino tsara an’ireo “porofo” niampangana an’i Solovyov ny mpitsara ao amin’ilay faritra, ka nanova ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ambany kokoa, ary nanafoana an’ilay fangatahana lamandy.

Rehefa avy novakin’ilay mpitsara ilay didim-pitsarana, dia nitodika tany amin’i Solovyov izy ary niteny hoe: “Niovaova foana ny fomba fitsarana ary misy olona mitsara an-tendrony. Efa tsy miaina amin’ny 1937 intsony anefa isika izao, ka hoe hinia tsy hijery ny zava-misy. Enga anie ka hanampy ny olona hanao ny marina sy ho tsara fitondran-tena kokoa ny asa fampianarana ataonareo.”

Namoaka lalàna mampihorohoro nantsoina hoe Didy 00447 i Staline, mpitondra sovietika tsy refesi-mandidy, tamin’ny Jolay 1937. Nosamborina daholo izay nahiahina ho manana hevitra mifanohitra amin’ny an’ny fitondrana, ary nampakarina fitsarana na dia tsy nisy porofo hiampangana azy aza. Hita tany amin’ny arisiva fa olona an’aliny no nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona, ary 300 000 mahery no nomelohina ho faty sy novonoina.